Tselatra

VAOVAO TAMBATRA

Nidina 49,6 % ny vokatra lavanila naondran’i Madagasikara, taorian’ny fampihenana ho 38,8 % ny habeny sy ho 17,6 % ny vidiny. Nihena ho 9,6 % ny vola azo avy tamin’ny fanondranana jirofo taorian’ny fampihenana ny habeny ho 14,7 % na teo aza ny fisondrotan’ny vidiny, manodidina ny 6 %. Olona […]

TSELATRA

Lehilahy iray hita faty tsy nisy voamaso tao Antanimieva, distrikan’i Morombe, omaly. Niharan’ny vono nataon’ny mpangala-boamaso io raim-pianaka­viana io. Mpandalo no nahatsikaritra ny vatana manga­tsiakany ka nampandre ny manodidina. Manao ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Tanora dimy lahy mpikambana anaty fikambanana mpanakorotana naiditra am-ponja ao Antsiranana, afakomaly. Ivondronan’ireo […]

INDRAY MIJERY

Nampiomana ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby, fa ahina ny fiforonana rivodoza ao amin’ny ranomasimbe Indianina any amin’ny faran’ny herinandro. Hitoetra ny volonandro fahavaratra saika manerana ny Nosy, ho an’ny roa andro voalohany. Hikisaka any amin’ny tapany avaratry ny Nosy kosa izany manomboka rahampitso. Efa nivoaka ny tetiandro […]

SOMBIM-BAOVAO

Hanainga, anio, hihazo an’i Qatar, ny solontena malagasy, taranja lomano, hiatrika ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany. Malagasy mpilomano roa no fantatra fa hifaninana amin’izany, ahitana an’i Tendrinavalona Idealy sy Rahavel Jonathan. Vonona ny hiaro ny voninahi-pirenena ireto solontena ireto. Lavon’ilay maraokanina mpilalao tenisy, Karim Bennani tamin’ny seta 2 no ho […]

VAOVAO TAMBATRA

Vinavinaina ho 4,5% ny fitomboana ara-toekarena amin’ity taona 2024 ity. Anisan’ny tena hananana ny lanjany ny seha-pihariana matanjaka, toy ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany indostrialy, ny fambolena ary ny fizahantany. Misy ny paikady manokana ataon’ny fanjakana hanatrarana ireo tanjona ireo. Mitohy ny fanofanana ireo mpandraharaha mpiompy trondro manerana ny Nosy. […]