Tselatra

TSELATRA

Zazakely iray namoy ny ainy nipoahan’ny bateriana finday nofahanana tamin’ny takelaby mandeha amin’ny masoandro tao Andranomanelatra Antsirabe, ny zoma teo. Nirefotra teo amin’ny toerana namahanana azy ilay bateria ka nandoro trano nisy zazakely natory teo ambony fandriana. Kila tsy nisy namantarana azy intsony ilay zaza niharam-boina. Nifanome tanana ta­min’ny famonoana […]

SOMBIM-BAOVAO

Hatao anio 11 sy rahampitso 12 novambra, any amin’ny ligin’Atsinanana, ny fifaninanana basikety “Game on 3×3”. Basikety lalaovin’olona telo, karakarain’ny Federasiona malagasin’ny basikety, hiarahana miasa amin’ny ligin’Atsinanana sy ny kaominina an-drenivohitr’i Toamasina. Volley-ball. Mikarakara fifaninanana ho an’ny mpilalao ity taranja ity, ny eo anivon’ny ligin’Anala­man­ga. Fifaninanana “passe de précision” izany, […]

VAOVAO TAMBATRA

Tombony mandritra ny “Forum national des entrepreneurs » andiany faha-5 ny fampitomboana ny fifandraisana eo amin’ny samy mpisehatra ara-toekarena, indrindra ny fifampizarana eo amin’ny samy mpandraharaha. Mifampiankina ny fampiroboroboana ny maha olombelona sy ny orinasa eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana. Nisitraka fiofanana momba ny fiainana anaty kaoperativa, ny fitantanam-bola amin’ny fomba tsotra […]

TARATRY ny KANTO

Hikatona tanteraka ny IFM, anio. Mikorontana ny fandaharam-potoanan’ny IFM Analakely isaky ny sabotsy, noho ny toe-draharaha misy. Voatery ahemotra amin’ny fotoana manaraka indray mantsy ireo nokasaina hatao anio, satria hikatona tanteraka ity ivokolo frantsay ity. Saika ireo fandaharam-potoana tafiditra anatin’ny hetsika “Novembre Numérique” ireto nofoanana ireto. Antsa an’i Kristy, eny […]

FANTINA sy FINTINA

“Aleo handeha ny fifidianana”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filoham-panjakana mpisolo toerana, ny Jly Ravalomanana Richard. Hafahafa raha herinandro alohan’ny fifidianana no mbola hifampidinika. Firenena iza no hanaiky hoe mbola hatao lavabe ny fitondrana nefa efa tapitra fe-potoam-piasana ny filoha teo aloha ary efa mandeha ny fifidianana? Hatolotry ny vovonana mpanelanelana […]