Tselatra

TARATRY ny KANTO

Hitohy hatramin’ny 17 febroary 2024 ny fampirantiana sary hosodoko, eny amin’ny Galerie Vellutini Isoraka, araka ny nambaran’ny tomponandraikitry ny hetsika. Nifarana ny 26 janoary 2024 izany, raha ny drafitra napetraky ny mpikarakara. Mpahay kanto maro samihafa no miaraka mandranty ny haikanto eny an-toerana mandritra ireo fotoana ireo. Rajery Trio, any […]

FANTINA sy FINTINA

“Ho amin’ny tsaratsara kokoa ny politika ankapoben’ny fanjakana, ary tsy izahay no sakana amin’izany”, hoy ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, omaly, tetsy Anosikely. Anisan’ny handalo eny amin’izy ireo ny momba izany amin’izao fivoriana tsy ara-potoana izao. Nitohy omaly, ny fitsidihan’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, ny any Alzeria. Nihaona […]

TSELATRA

Nandoa vola mitentina 30 tapitrisa Ar ny fianakavian’ireo olona telo, takalonaina tao Ankazobe, izay votsotra ny sabotsy 27 janaory teo. Tsy namelan’ireo olon-dratsy hatramin’ny farany raha tsy nanome ny vola ny havan’izy ireo nandritra ny fanafihana ny 23 janaory teo. Roa lahy mpivarotra rongony voasambotry ny mpitandro filaminana tao Anivorano, […]

VAOVAO TAMBATRA

 Handray anjara amin’ny hetsika « Borsa Internazionale del Turismo (BIT) Milano 2024 » ny 4-6 febroary, ao Italie, ny  delegasiona avy amin’ny Ofisim-paritry ny fizahantany Nosy Be (ORTNB). Fotoana hampahafantarana ny zavaboahary sy ny hakanton’ny Nosy, indrindra ny fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany.  Hamokatra zana-trondro manodidina ny 5 tapitrisa isan-taona […]

INDRAY MIJERY

Miangavy ny fanjakana hampiditra ny fahaiza-miaina, ny fanajana ny soatoavina, ny tantaran’i Madagasikara amin’ny taranja any an-dakilasy ny tomponandraikitry ny fikambanana Tily sy Mpanazava eto Madagasikara. Ilaina amin’ny fanabeazana izany. Nandritra ny fisantarana ny fanamarihana ny faha-100 taonan’ny Tily no nanambarany izany ny sabotsy lasa teo, teny Mahamasina. Tombanana hiakatra […]