Tselatra

FANTINA sy FINTINA

Tsy misy Malagasy tia korontana intsony, araka ny fanehoan-kevitry ny mpanorina ny antoko ny Fireneko, Rabary Paul. Nohitsiny fa tsy tokony handeha eny amin’ny kianja 13 mey raha tsy mahazaka lakrimozenina. “Vitsy anisa ny olona miaraka aminareo kandidà 10… Tsy maintsy ho lany amin’ny fihodinana voalohany ny filoha Rajoelina”, hoy […]

TSELATRA

Hivoaka ny 17 novambra izao ny didim-pitsarana mahakasika ireo olona 10 mianadahy voasambotra nandritra ny hetsika fotsy, ny sabotsy 4 novambra teo. Nolavin’ny mpitsara ny fangatahana vonjimaika ho an’ireo dimy notanana eny am-ponja, omaly. Fivorivoriana tsy nahazoana alalana sy fanaovana herisetra no niampangana azy ireo. Nihohoka tao anaty tatatra ka […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina ny 11 sy ny 12 novambra ho avy izao, eo amin’ny Lapan’ny tanàna any Toamasina ny fifaninanana “Game on 3×3”. Marihina fa ity lalao ity, hiarahan’ny Federasiona malagasin’ny basikety sy ny ligy rezionaly Atsinanana ary ny kaominina any an-toerana manatanteraka. Notanterahina nanomboka omaly, tany Toamasina, ny fitiliana ireo Malagasy […]

TARATRY ny KANTO

Ady hiragasy eny Ampefiloha. Tsy mangina mihitsy ny Kianjan’ny Hiragasy etsy Ampefiloha, rehefa alahady. Fantatra fa hifanandrina ny 12 novambra ho avy izao ry Rafaralahy Raymond sy ry Ratovoelison Etienne avy eny Ambatonapoaka. Manomboka amin’ny 10 ora maraina dia efa raikitra ny fifandonana voalohany. Antsam-piderana eny Mahamasina. “Tsy maintsy misandratra […]

VAOVAO TAMBATRA

Niakatra 8,2 % ny vidin-tsakafo tao anatin’ny herintaona (septambra 2022-septambra 2023). Nahitam-piakarana 11,8% ny vidim-bary raha niakatra 10,2% ny vidin’ny enta-madinika (PPN). Nahitam-piakarana 10,2 % ihany koa ireo zava-pisotro tsy misy alikaola raha toa ka 7,3% kosa ny taham-piakarana ho an’ny fifandraisan-davitra. Hamokatra kitay vita amin’ny akofam-bary 20t isam-bolana ny […]