Tselatra

TSELATRA

Naiditra vonjimaika am-ponja eny Tsiafahy ilay lehilahy nanolana ka nahafaty ny zana-badiny vao 5 taona monja teny Ambohipo. Voasazy hiasa an-terivozona mandra-pahafatiny, miampy famosirana izy io, taorian’ny didy nivoaka. Marihina fa miaramilan-tsambo ity lehilahy nanolana ity. Miasa alina ny renin’ilay zaza ka matetika izy sy ilay zaza irery foana no […]

TSELATRA

Raim-pianakaviana iray may vokatry ny fahamaizan’ny trano nonenany, omaly maraina. Taraiky tany amin’ny efitra ambony ny zafikeliny iray ka nanavotra azy io izy no may. Niainga tany amin’ny efitra ambany ny afo, nahitana solika ka nampiredareda malaky ny afo. Efa nentina tany amin’ny mpanao ody may izy io taorian’ny tranga. […]

TSELATRA

Hampiakatra ny raharaha eo anivon’ny fitsa­rana ny fianakavian’ireo olona efatra niara-maty tetsy amin’ny fokontany Ivolaniray-Anosibe, ny alakamisy teo, araka ny fanazavan’ny fianakavian’ny maty. Miandry ny tohin’ny fanadihadiana ataon’ny sampana fikarohana heloka bevava kosa izy ireo, raha ny fanazavana. Hita omaly maraina ny vata-mangatsiakan’ilay raim-pianakaviana natelin’ny ranomasina tany Tapa­kala, kaominina manakaiky […]

TSELATRA

Lehilahy iray, mpangalatra moto, voasambotry ny polisy avy ao amin’ny Kaomisaria 67ha, ny 8 febroary lasa teo tamin’ny 1 ora maraina. Tratra nanosika io kodiaran-droa io izy nefa tsy nahitana taratasy manamarina izany. Nihaiky ny tenany fa vao avy nangalariny io kodiaran-droa io. Hatolotra ny fitsarana izy aorian’ny fanadihadiana. Taksiborosy […]

TSELATRA

Tratran’ny zandary omaly tamin’ny 7 ora sy sasany maraina ny fiara mpitatitra nitondra rongony tany ambony fitoeran’entana. Voasakana sy voasava teo Ankadi­maimbo, fokontany Ambohibary, kaominina ambanivohitra Analavory, distrikan’i Miarinarivo izy io. Tratra, nandritra izany, ny rongony 15 kilao efa vita tao anaty sakaosy sy ny tompony. Saika hamidy any amin’ny […]