Tselatra

TSELATRA

Saron’ny zandary sy ny tomponandraikitra tao amin’ny kaominina ambanivohitra Fierenana, omaly, ny iray tamin’ireo gadra nitsoaka tany amin’ny fonjan’i Moramanga, ny sabotsy teo. Fararano Gilbert Velojaona Velomaro, anisan’ireo voafonja tafaporitsaka ny tenany. Misazy asa an-terivozona mandra-pahafaty izy nanomboka ny volana mey 2018. Halatra mitam-piadiana sy fikambanan-jiolahy no antony hanenjehana azy. […]

TSELATRA

Naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora, ny 30 janoary 2026 teo, ny vehivavy iray 26 taona. Tratra nitondra rongony nilanja 80 kg tetsy amin’ny fiantsonan’ny fiara Andohatapenaka izy io, ny 25 janoary 2026. Avy any Mampikony nikasa ho any Toamasina ny diany. Nafeniny tany anaty valizy miisa efatra izany. Lehilahy iray […]

TSELATRA

Naratra nianjeran’ny tamboho ny mpandalo iray teny Tsarafara, kaominina Sabotsy Namehana, ny sabotsy 31 janoary teo. Olona telo maty taorian’ny fivadihan’ny kamiao tao Andrenarivo Ambinanindovoka, kaominina Ambalavao, ny marain’ny sabotsy 31 janoary teo. Tovolahy vao erotrerony, mpianatra, hita faty tao anaty rano tsy lavitra ny tohodrano ao Andrainjato, afakomaly.

TSELATRA

Handalo amin’ny distrika 38 anatin’ny faritra valo ny rivodoza Fytia, araka ny tombana voaray omaly. Heverina fa hahatratra 175 493 ny olona traboina (avy amin’ny tokantrano 40 812). Hahatratra 41 784 ireo trano dibo-drano, 6 168 ny trano sy ny foto-rafitrasa samba. 1 580 ny efitrano fianarana simba amin’ny ampahany, 176 ny […]

TSELATRA

Lehilahy 50 taona hita faty tetsy amin’ny arabe akaikin’ny mpivarotra voninkazo, ampitan’ny hopitaly HJRA, omaly maraina. «Efa narary andro vitsivitsy lasa izy io, ary nanomboka nanary aina ny alina ary izao maty izao », hoy ny vadiny. Mpatory an-dalana izy ireo. Jiolahy miisa roa voasambotry ny polisy tany Anketa Toliara, ny […]