Tselatra

TSELATRA

Lehilahy iray voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny CSP Maevatanàna ny marain’ny 10 febroary 2026. Voampanga ho nanolana zazavavikely vao enin-taona monja, tany amin’ny fokontany Ambalaranokely, izy io. Nandositra izy taorian’ny asa ratsiny ary nokarohin’ny mpitandro filaminana. Voasambotra teo am-pitadiavana lalana handosirana izy. Niaiky ny heloka vitany ary fantatra fa […]

TSELATRA

Natolotra ny fitsarana omaly ireo telo vavy voarohirohy tamin’ny famonoana vehivavy iray, izay voalaza fa bevohoka, tany Sahanivotry Antsirabe II. Voarohirohy niaraka tamin’ireo telolahy maty nodoran’ny fokonolona velona ny alarobia lasa teo izy ireo. Olona roa hafa nosamborina sy natao andrimaso eny anivon’ny zandary. Vehivavy iray tokony ho 40 taona, […]

TSELATRA

Telo lahy nodoran’ny fokonolona velona tao Soanindrariny Antsirabe, afakomaly maraina. Voalaza fa namono nahafaty vehivavy bevohoka izy ireo. Nota­tahina ny kibony hatrany amin’ny fivaviany namoahana ny zaza tao an-kibony, nalain’izy ireo koa ny masony. Nolazaina fa nototoin’ny omby anefa ny nahafaty ilay vehivavy. Notazomina tao amin’ny biraon’ny zandary tao Tsarahonenana, […]

TSELATRA

Naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora, omaly, ny roa lahy nangalatra moto teny Soavina, ny herinandro teo, taorian’ny niakaran’izy ireo fampanoavana. Voasambotry ny polisy teny Mahavoky Besarety, ny 01 febroary 2026 lasa teo ny iray. Tratra tetsy Ankadifotsy ny ampitson’io kosa ny iray hafa. Mbola tratra teny aminy ilay moto halatra. […]

TSELATRA

Vehivavy manodidina ny 40 taona hita faty tao anaty alan’akondro, tao amin’ny fokontany Tanambao, kaominina Fianarantsoa, omaly. Mangana ny rantsan-tanan’io ramatoa io. Ankizilahy 15 taona maty nipoahan’ny gaz tao Ampoara, fokontany Mangatany, kaominina Arivoni­mamo, omaly atoandro. Nipitika tampoka teny aminy io gaz io nandritra ny soudure nataona mpiasa hafa. Lavon’ny […]