Tselatra

TSELATRA

Olona miisa dimy naiditra am-ponja vonjimaika rehefa avy niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana. Voarohirohy tamin’ny fakana an-keriny zaza dimy taona, tany amin’ny fokontany Ambalatenina, kaominina Ambatofotsy, distrikan’Ikongo, ny alin’ny 12 janoary 2026 lasa teo izy ireo. Voasambotra ny 09 febroary 2026 teo, tao amin’ny kaominina Beraketa, faritra Androy, izy ireo, […]

TSELATRA

Lehilahy iray torana tampoka teny amin’ny toby fiantsonan’ny fiara iray tetsy Ambodivona, omaly atoandro. Raha ny fantatra, niandry sy nipetraka niaraka tamin’ ny olona tao anatiny tao izy. Saingy nianjera ary torana tsy nahatsiaro tena. Efa nentina novonjena haingana tao amin’ ny Espace medicale Ambodivona ny tenany taorian’izay. Namoy ny […]

TSELATRA

Lehilahy roa naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora, rehefa niakatra fampanoavana teny amin’ny Fitsarana afakomaly. Namaky trano sy nanao sinto-mahery tetsy Itaosy, Atsimondrano izy ireo, ny 26 sy 27 feborary lasa teo, anton’ny fanenjehana. Tratra namoaka fahitalavitra tao amin’ny tokantrano iray tao Sakambahiny Ambanilalana, ny iray. Raha tratra nanao sinto-mahery teny […]

TSELATRA

Nosamborin’ny polisim-pirenena teny Ankaraobato ny lehilahy iray tratra nanodinkodina zaza tsy ampy taona, afakomaly. Tsy nody an-tranon-dray aman-dreny ny zazavavy 14 taona. Nametraka fitarainana teny amin’ny polisy ny fianakaviany satria misy mahita mihaodihaody teny amin’ny fokontany Ambohibahiny izy. Hita niaraka tamin’ny lehilahy iray teo amin’ny fiantsonan’ny taxi-be, ny marainan’ny 27 […]

TSELATRA

Lehilahy roa mpamaky fasana, maty voatifitry ny zandary, ny alin’ny 26 febroary lasa teo. Iray hafa azo sambo-belona. Tratra teo am-pamakiana fasana iray tany Ambohibololona, kaominina ambanivohitra Tsiafahy, ny dimy lahy. Tonga teny an-toerana ny zandary ary raikitra ny fifanjevoana. Tafaporitsaka ny telo ambiny. Tratra teny amin’izy ireo ny taolam-paty […]