Tselatra

TSELATRA

Mpiambina iray maty voatsatok’antsy teny amin’ny kaominina Fiadanana, distrikan’i Fandriana, afakomaly alina. Niditra an-keriny tao amina tsenambarotra ireo jiolahy nitondra antsy. Nisy ny fifandonana teo amin’ny mpiambina sy ireto farany. Naratra mafy vokatry ny tsindron’antsy nahazo azy ilay mpiambina ka namoy ny ainy. Lehilahy roa nanely vaovao tsy marina tamin’ny tambajotran-tserasera […]

VAOVAO TAMBATRA

Mandray ny drakaka nampangatsiahana avy eto amintsika i Eoropa sy Sina, raha mandray ireo velo­na kosa i Etazonia, Dobai ary Sina. Tamin’ity taona ity, manodidina ny 140 ireo olona nahazo alalana hanangom-bokatra raha maherin’ny 30 isa kosa ireo mpanondrana ny vokatra avy amin’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga. Hahitsy […]

INDRAY MIJERY

Nisokatra tamin’ity herinadro ity ny fandaharanasa iraisam-pirenena momba ny fitantanana ny tetikasa mitondra fivoarana (Mapi), andiany faharoa, miaraka amin’ny Université Senghor, karakarain’ny sekoly ambony Iscam. Tanjon’ny fandaharanasa ny fanofanana ireo olona ho mpitarika tetikasa mitondra fanovana ho an’ny fiarahamonina sy ny fihariana. Notolorana mari-pankasitrahana ireo mpianatra sangany tamin’ny fanadinam-panjakana nandritra […]

TARATRY ny KANTO

“Fihaonana araka ny literatiora ». Tanterahina ny takarivan’ny sabotsy 7 oktobra 2023, eny amin’ny La Galerie Mozaik Antsahabe, ny fihaonana araka literatiora, iarahana amin’i Michèle Rakotoson, mpanoratra. Ny mahakasika ny boky “Ambatomanga, le silence et la douleur” no resahina amin’izany. Mpisehatra eo anivon’ny haikanto sy literatiora maro samihafa no hiaraka […]

SOMBIM-BAOVAO

Nanatanteraka fanazarantena teny Maha­masina ny ekipam-pirenena Barea de Mada­gascar, ny alarobia 4 oktobra lasa teo. Marihina fa ny 9 hatramin’ny 17 oktobra ho avy izao izy ireo, hiatrika ny lalao iraisam-pirenena izay tafiditra anatin’ny “fenêtre FIFA”. Ny ekipam-pirenen’i Mauritanie sy i Bénin no hifanandrina amin’izy ireo amin’izany. Niakatra kianja omaly […]