Tselatra

TSELATRA

Tsy mbola nisy tratra ireo gadra 14 nandositra tany amin’ny fonjaben’i Maintirano, ny talata 21 janoary lasa teo. Voalaza fa nihanika tamboho izy ireo ka tafaporitsaka. Voaheloka higadra mandrapahafaty, hiasa asa an-terivozona 20 taona, 15 taona, 10 taona, fito taona izy ireo. Voaheloka tamin’ny fanolanana, vono olona, fangalarana sy ny […]

TSELATRA

Kamiao nitondra entana nivadika tao Ankidona, distrikan’i Betioky Atsimo, omaly. Tsy nisy aina nafoy saingy nentin’ny rano avokoa ny entana rehetra tao amin’ilay kamiao. Fatin-dehilahy nisy namono hitan’ny fokonolona tao Ambodimanga Benavony, kaominina Ampasimbe, distrikan’i Brickaville, ny 20 janoary teo. Nahitana ratra ny vatan’io namoy ny ainy io. Voafira antsy […]

TSELATRA

Fatin-jazavavy vao nalevin’ny fianakaviany nalain’ny olon-dratsy tao am-pasana ny voamasony, omaly. Nalevin’ny havany afakomaly io zaza io. Nofon­garin’ireo tsy mataho-tody tao anaty vata ilay zazavavy. Lehilahy nisoloky ho mahatafiditra ho zandary voasambotry ny polisy tao Ambositra ka nidoboka am-ponja, afakomaly. Nahazo lelavola hatramin’ny 36 tapitrisa Ar tamin’ireo olona efa nosolokiany […]

TSELATRA

Lehilahy iray voasambotry ny fokonolona ka nalain’ny mpitandro filaminana hatao famotorana rehefa nikasa hanolan-jaza tao amin’ny fokontany Ampatana, kaominina Antsirabe, omaly. Zazavavy 6 taona nokasainy hanaovana ny filan-dratsiny saingy nisy nahatsikaritra. Jiolahy roa lahy nanambana basy nandroba moto nentina renim-pianakaviana iray tao Toamasina, omaly. Voasakana, nalain’ireo olon-dratsy an-keriny teny amin’io […]

TSELATRA

Efa-dahy tompon’antoka tamin’ny famonoana ilay mpiasa amina tetikasa miady amin’ny hanohanana tao Ikongo, voasambotry ny zandary, afakomaly. Mitohy ny fikarohana ireo namany izay niara-nanao io vono olona io. Marihina, nendrikendrehina ho dahalo io olona matin’ny fitsaram-bahoaka io sy ny mpampianatra iray namany. Tovolahy iray hita faty teo amoron’ny reniranon’i Manambondro, […]