Lehilahy iray, tokony ho 22 taona, hita faty tetsy akaikin’ny ranon’Ikopa, tetsy Ankazobe Alasora, omaly maraina. Raha ny fanazavana voaray avy amin’ny fianakavian’ny maty, nodomin’ny fiara teny an-toerana izy io. Lasa nandositra moa ny nahavanan-doza toarian’ny loza nitranga. Efa eny anivon’ny fianakaviana ny razana, omaly, toarian’ny fitsirihana nataon’ny mpitsabo. Naiditra […]
Tselatra
TSELATRA
Mpanao gazety, vehivavy, iray lasibatry ny mpanao sinto-mahery teny 67 Ha, Antohomadinika iny, afakomaly. Nosintomin’ireo olon-dratsy ny kitapo teny aminy. Nahodin’ilay jiolahy tampoka ihany koa ny tanany havanana ka voaroba, tamin’izany, ny vangovango teny aminy. Nandritra ny fitohanan’ny fifamoivoizana teny an-toerana ny nisehoan’izany. Nandositra ilay mpanendaka taorian’ny asa ratsiny. Mangataka […]
TSELATRA
Manao antso ny tokony hamoahana sy hamotsorana ny solombavam-bahoaka voafidy tao Fianaratsoa I, Sahondrarimalala Marie Michelle ireo andiam-behivavy tetsy Anosizato afakomaly. Nambaran’izy ireo fa tsy manara-dalàna ny fisamborana azy. « Nahavita tsara ny asany, nandritra ny maha minisitry ny Fanabeazam-pirenena azy teo aloha ity solombavahoaka ity », hoy hatrany ireo vehivavy ireo. […]
TSELATRA
Niakatra fampanoavana tao Fianarantsoa, omaly, ilay ramatoa 24 taona malaza amin’ny fangalarana kavin-jaza tany Ambalavao Tsienimparihy. Naiditra vonjimaika am-ponja ny tenany taorian’izay. Any an-tsekoly sy any am-piangonana ny toerana fanaovany asa ratsy. Tra-tehaky ny polisim-pirenena tamin’ny herinandro lasa teo izy. Manan-janaka telo, vao telo volana monja ny farany, ity ramatoa […]
TSELATRA
Olona 15 narary tratran’ny fahapoizinana ara-tsakafo faobe (TIAC) tany Toamasina, raha ny tatitra navoakan’ny avy amin’ny DSRP Atsinanana, omaly. Naiditra hopitaly any amin’ny CHU Analankinina Toamasina izy rehetra ireo. Namonjy fety fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao iray tany an-toerana izy ireo, afakomaly. Samy nivalana, nandoa, fanina, narary an-doha avokoa ny […]




