Misesisesy ny tranga fanafihana mitam-piadiana tato ho ato. Novakin’ny jiolahy ihany koa ny tokantrano iray etsy Manarintsoa Namehana, omaly, tamin’ny 2 ora maraina tany ho any. Tao anaty torimaso tanteraka ny tompony no novakian’ny olon-dratsy ny trano. Lasan’ireo jiolahy ny fitaovana sy entana maro. Maraina vao tsikaritry ny tompony fa […]
Tselatra
TSELATRA
Natsangana ao amin’ny distrikan’Anjozorobe ny “Centre spécial d’aguerrissement opérationnel” (CSAO), hanamafisana ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana. Mandrafitra izany ny zandary mpiana-draharaha miisa 58 avy amin’ny andiany faha-79. Nomena fiofanana tao amin’ny “Compagnie de la Gendarmerie” ao Anjozorobe izy ireo. Hihazo avy hatrany ny kaominina Marotsipoy aorian’ny fampiofanana. Karohin’ny zandary i […]
TSELATRA
Lehilahy iray 20 taona, mpifoka rongony, voasambotry ny polisin’ny UIR ny sabotsy 17 janoary 2026, tokony ho tamin’ny 10 ora maraina, tany Antsirabe. Nifanehatra tamin’ ny polisy nanao fisafoana izy io izao tratra teo am-pifohana rongony izao. Monina ao Saharoaloha, Antsirabe, ihany izy. Nentina any amin’ny kaomisaria Antsirabe ho hadihadiana. […]
TSELATRA
Vehivavy hita faty natsingevan’ny rano teny amin’ny Lavage Anosipatrana, afakomaly. Tsy nisy akanjo intsony io vehivavy io saingy mbola teny aminy ny kirarony. Jiolahy roa lahy tratra namaky trano tao Mandrosoa Ivato, ny alin’ny sabotsy hifoha ny alahady 18 janoary teo. Toerana fikarakarana bika aman’endrika io lasibatra io ary efa […]
TSELATRA
Voasambotry ny zandary tetsy Ankadikely Ilafy ny alin’ny 14 janoary lasa teo, ny lehilahy iray nangalatra volan’ny orinasa tany amin’ny Banky. Nirahina haka vola 50 tapitrisa Ariary izy ny 13 janoary, nefa tany dia tsy niverina. Nandefa hafatra tamin’ilay mpaniraka izy fa lasan’ny mpitandro filaminana ireo vola satria tsy mazava, […]




