Olona 240 no hisitraka ny fandidiana maso maimaimpoana karakarain’ireo dokotera avy any ivelany. Efa notiliana mialoha tao amin’ny hopitaly HJRA ireo olona ireo ka isahana ny fandidiana sisa ireo vahiny, dokotera. Mbola mitohy ny fitiliana ao amin’ny sampandraharaha Ophtalmologie HJRA. Stephanie Arnold indray no mpanolotsaina vaovao voalohan’ny masoivoho amerikanina miasa […]
Tselatra
FANTINA sy FINTINA
Hanao fanambarana ireo depiote, olobe, fikambanana mpanohana ny kandidà Rajoelina Andry, anio. Hotanterahina eny amin’ny CCI Ivato izany. Tombanana fa anisan’ny hiompanan’ny fanambarana ny ho firosoana amin’ny fifidianana. Eo koa ny mety hitsikerana ireo kandidà 11, sy ireo mpanara-dia azy nanao fanambarana sy ny “Angaredona” tato ho ato. Hanao fihaonambe […]
TSELATRA
Hatolotra ny fampanoavana ireo olona enina voasambotra noho ny raharaha vonoan’olona tao amina alim-pandihizana tamina famadihana iray tao Antsirabe. Ny 19 septambra alina no nisian’ity fety niaraka tamin’ny ady saritaka ity. Tovolahy iray 27 taona namoy ny ainy raha naratra mafy kosa ny tovolahy iray hafa. Naiditra am-ponja eny Antanimora […]
SOMBIM-BAOVAO
Nisaraka ady sahala, 1 no ho 1, ny fihaonan’ny Athletico Madrid, klioba espaniola sy ny FC Lazio, klioba italianina. Nahavita fihetsika goavana ny mpiandry haraton’ny Lazio, Ivan Provedel, ny talata alina lasa teo. Ity mpilalao ity, nahasahala ny isa tany amin’ny minitra farany, faha-95 min. Nanomboka ny talata lasa teo, […]
INDRAY MIJERY
Nanomboka omaly ny hetsika ara-panatanjahantena sy ara-kolontsaina ataon’ny mpiasan’ny fahasalamana manerana ny faritra 23, etsy Mahamasina. Hitohy anio izany ho fanehoana firaisankina sy fiaraha-mientana eo amin’ireo mpisehatra. Izy ireo no mampihodina ny sehatry ny fahasalamana any amin’ireo tobim-pahasalamana manerana an’i Madagasikara. Manamarika ny faha-40 taona niorenany ny fakiolten’ny Siantsa sy […]