Tontosa ny atrikasa nitondrana fanavaozana ny drafitra hiatrehana ny hamehana mahakasika ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza ho an’ny faritra Atsimo Andrefana. Nitarika ny fivoriana ny Préfet-n’i Toliara ary nandray anjara ireo talem-paritra, lehiben’ny distrika rehetra ary ireo solotenam-panjakana. Nanotrona koa ny teknisianin’ny BNGRC. Tanteraka ny fiofanana niarahana tamin’ireo […]
Tselatra
VAOVAO TAMBATRA
Tanterahina manomboka rahampitso hatramin’ny sabotsy izao, ny hetsika anjara hetrako atao eny amin’ny zaridainan’Antaninarenina. Ho azo eo no ho eo, mandritra izany, ny karatry ny mpandoa hetra. Tsy miova ihany koa ny fepetra takina amin’izany toy ny dika mitovy amin’ny karapanondrom-pirenena, fanamarinam-ponenana ary vola 16 000Ar aloa amin’ny e-hatraphone. Antoka […]
FANTINA sy FINTINA
Nalefa eny amin’ny fampanoavana « Dossier à transmettre” ny raharaha momba ny mpanao gazety, i Gascar Fenosoa, taorian’ny nanadihadian’ny zandary sampana misahana ny heloka bevava etsy Fiadanana azy. Nanomboka tamin’ny 8 mahery ka hatramin’ny 4 ora tolakandro izany. Misy fetrany ny faharetana, araka ny fanaraha-maso nataon’ny Arrupe, tamin’ny fifidianana. “Hiseho […]
TSELATRA
Naratra mafy ireo mpianaka nianjera tamin’ny taxi-be omaly maraina teny Anosibe. Teo am-pidinana ny taxi-be izy mianaka no nandeha tampoka ny fiara ka nianjera tamin’ny arabe. Naratra teo amin’ny lohany ilay raim-pianakaviana ka voatery nentina haingana tany amin’ny dokotera. Na teo aza anefa izany avotra soa aman-tsara ihany izy mianaka. […]
INDRAY MIJERY
Nisitraka ny couverture santé universelle ihany koa ny tao amin’ny distrikan’i Ste Marie, faritra Analanjirofo. Rafitra napetraka hanenana ny vesatra ara-bola amin’ny fahasalamana napetraky ny fanjakana izy io. Maro ireo nisoratra anarana niditra ho mpikambana ao anatin’ny rafi-piantohana fahasalamana, ahafahana misitraka fitsaboana maimaimpoana. Nankalaza ny faha-50 taonany ny Tranon’ny Fitiavana, […]




