Tselatra

Fantina sy fintina

Nambaran’ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, fa tsy azo atao tsinontsinona ireo vahoaka nifidy antsika. “Manantena sy miandry antsika handray andraikitra eo amin’ny kaominina misy antsika izy ireo”, hoy izy, omaly, manoloana izao toe-draharaha izao. Nanteriny fa mitohy ny tolona hamaranana izao fampahantrana sy famotehana ny firenena. Nahavelombolo ireo mpiara-miombon’antoka […]

Tselatra

Jiolahy nitam-basy nikasa hangalatra omby vaky nandositra tao Antanjombe, Ambohimanarina, ny alin’ ny alakamisy hifoha omaly zoma. Henon’ny tompon-trano ny fisian’ireo olon-dratsy ka nitsoaka nandositra izy ireo. Mpanao sinto-mahery voasambotry ny fokonolona ka saika niharan’ny daroka sy vono teny Ampefiloha, afakomaly. Nalain’ny roa lahy tsy fantatra io mpanao ratsy io fa […]

Vaovao tambatra

 Miisa 48 isan-kerinandro ny zotra amin’ny fiaramanidina eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Miisa 19 kosa ny any Nosy Be, ka ao anatin’ireo ny zotra iraisam-pirenena sy ny eto an-toerana. Niampy roa kosa ny fiaramanidina ho ampiasain’ny kaompania Madagascar Airways. Tanjona ny hanampiana ny efa eo am-pelatanana hanatsarana ny zotra anatiny, satria […]

Indray mijery

Miverina ho maina tsikelikely ny andro nanomboka omaly ary ho maina tanteraka amin’ny faran’ny herinandro sy ny fiandohan’ny herinandro ambony io, ho an’ny faritra Alaotra Mangoro. Hisy fiakarany misongadina ny maripana ambony mandritra ny faran’ny herinandro. Tombanana hanodidina ny 27°-30°C izany raha ho anelanelan’ny 19°-20°C kosa ny maripana ambany. Omaly […]

Taratry ny kanto

Nainako, etsy amin’ny La Teinturerie Ampa­sanimalo. Hampiaina ny mozika avy any atsimo, laroina mozika maoderina ny tarika, manomboka amin’ny 8 ora alina. Anisan’ireo nitondra aina vao ho an’ny mozika antandroy ny tarika, araka izany. Mbola tsapa anatin’ny sanganasan’izy ireo hatrany anefa ilay fototra niaingana tao amin’ny tarika Vaovy sy mbola […]