Naiditra vonjimaika am-ponja, afakomaly, ireo telo lahy, mpanendaka eny ambony Bajaj ao Mahajanga. Miray tsikombakomba amina mpitondra bajaj izy ireo. Mandray zotra tahaka ny mpandeha rehetra, manendaka poketra sy findain’olona, avy eo mandositra. Miisa roa ny fitarainana voarain’ny kaomisaria foibe ao Mahajanga momba ity tranga ity, tamin’ity volana ity. Nafindra […]
Tselatra
TSELATRA
Nanao fihetsiketsehana sy nidina an-dalambe, nilanja sorabaventy sy nandoro kodiarana, ny mponina tetsy Ilanivato, omaly. Ny fisian’ny ranobe tsy mety ritra eny amin’ny arabe ny antony, raha ny fanazavana avy amin’izy ireo. Nahitana fahatapahana, noho izany, ny lalana teny an-toerana, vokatr’io hetsika. Nihaona mivantana tamin’ireo mpamily taxi-be zotra 194 sy […]
TSELATRA
Lehilahy telo naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora, omaly, taorian’ny fampanoavana teny anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Anosy. Tratran’ny polisy nifoka sy nivarotra rongony teny Analamahitsy ny roa tamin’izy ireo, ny alakamisy lasa teo. Nanonona lehilahy iray tompon’entana ireto farany. Nosamborina izy rehetra, ary izao naiditra am-ponja izao. Hita omaly maraina, tany […]
TSELATRA
Fiara Sprinter iray tra-doza tany Behenjy, lalam-pirenena fahafito, omaly maraina. Olona efatra naratra vokatr’izany, ary nentina avy hatrany eo anivon’ny toeram-pitsaboana Ambatolampy izy ireo. Niainga tany Vohipeno io fiara mpitatitra io. Izay nitondra fianakaviana hamonjy fahoriana hihazo an’Antananarivo Renivohitra. Nandeha mafy ny fiara ary vaky kodiarana tampoka ka nitarika tamin’ny […]
TSELATRA
Lehilahy sivy indray voasambotra teto Antananarivo, omaly. Tratra nanendaka vao maraina tetsy Sabotsy Namehana, distrikan’Avaradrano, ny iray. Lehilahy roa hafa voasambotra tetsy Analamahitsy, tamin’ny 12 ora atoandro, voarohirohy tamin’ny fitazomana sy fidorohana zava-mahadomelina. Nahitana fonosana rongony miisa 18 teny amin’izy roa lahy nandritra ny fisavana. Lehilahy miisa enina voasambotra tetsy […]




