Tselatra

TSELATRA

Raim-pianakaviana iray no noforain’ny ramatoa (anabaviny) iray tamin’ny antsy, afakomaly, tamin’ny 5 ora hariva tany Mahanoro. Naratra mafy teo amin’ny lohany, araka izany, izy. Noentina novonjena haingana tany amin’ny Case sanitaire Ambodiriana, Loharina. Noho ny ratra mafy nahazo azy, tsy maintsy nalefa any Maha­noro ny tenany. Ady tany ny antony […]

TSELATRA

Manamboninahitra iray, ao amin’ny Tafika an-tanety, antsoina hoe : Rakotomalala Jean Ernest, karo­hin’ny zandary fatratra amin’izao fotoana izao. Antony ha­nenjehana azy ny resaka fisolokiana sy fivadiham-pitokisana. Marihina fa misesisesy ny fikarohana olona ataon’ny zandary tato ho ato. Hita omaly, ny vatana mangatsiakan’ilay lehilahy nanjavona tampoka tao anaty ranon’i Mandritsara, ny ny […]

TSELATRA

Nisy lehilahy iray tokony ho 25 taona, hita faty teo akaikin’ny fiandrasana bus Manambina Ambo­himan­gakely, omaly, tamin’ny 05 ora hariva. Tsy nahi­tana taratasy famantarana ny mombamomba azy teny aminy. Tsy misy mahalalala azy io ihany koa ny mponina eny an-toerana. Iangaviana araka izany, ny fianakaviany mba handeha hijery ny razana […]

TSELATRA

13 isa ireo olona narary noho ny fihinana hani-masaka teny an-tsena, ao amin’ny kaominina Ampanefy, distrikan’Atsimondrano, hatramin’ny omaly. Nahitana za­zavavy roa taona. Nihinana kompose teny an-tsena iray teo akaikin’ny fiangonana katolika izy ireo ny alahady lasa teo. Nanomboka narary omaly, samy narary kibo, nandoa sy nivalana avokoa. Nalefa eny amin’ny […]

TSELATRA

Mpangalatra bisikileta voasambotry ny polisy teny Anosizato, ny alin’ny alahady teo tamin’ny 8 ora. Mody nanontany ilay mpanao taxi-bisikileta izy kanjo nodarohan’ny tampoka. Nokasainy alaina ny fitaovam-pitanterana saingy voasambotra tsy lavitra izy. Roa lahy mpamaky trano sady efa mpameri-keloka voasambotry ny polisy miasa ao Betafo, ny 2 janoary teo. Nahatrarana […]