Tselatra

FANTINA sy FINTINA

Niatrika ny fametrahana ny evekan’Antsirabe ny kandidà Ravalomanana Marc. Notanterahina tany an-toerana, omaly, ny sorona Masina amin’ny fandraisana ny Mgr Andriantsoavina Pascal. Anisan’ireo voaasa ity filoha teo aloha ity. Fandikan-dalàna ny fanalana ny sarin’ny filohan’ny Repoblika, araka ny fampahatsiahivan’ny fiadidiana ny Repoblika.. “Miandry voka-pifidianana ofisialy havoakan’ny HCC vao azo atao […]

TSELATRA

Zandary iray niampy mpamily fiara nitatitra hazo an-tsokosoko naiditra am-ponja vonjimaika tao Moramanga, ny talata 12 septambra hariva teo. Voasakan’ny sampan-draharaha manokana misahana ny fiarovana ny ala tao Marovoay ny mpamily roa lahy niampy io mpitandro filaminana io ka natao famotorana tamin’io andro io ihany. Efatra mirahalahy mpamaky trano voasambotry […]

SOMBIM-BAOVAO

Nihintsana teo amin’ny manasa-dalana Andrian­tefihasina Mirija, Malagasy mpilalao tenisy, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy lehilahy, U14. Marihina fa lavon’i Ghali Salaheddine, marôkanina tamin’ny seta 2 no ho 0 ( 6/1, 7/5) izy, tamin’io fotoana io. Hanomboka anio, any Zimbabwe, ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny lalao Olympika […]

Taratry ny kanto

Raha te hirotsaka amin’ny tontolon’ny mozika any ivelany. « Tsara raha mandalina sy mianatra azy io mihitsy », hoy i Niu Raza, nandritra ny fandalovany teto Madagasikara. Tsara ny manana talenta, fa miampy kokoa ny fisokafan’ny lalana raha mandalina, raha ny fanazavany hatrany. « Ça Claque ». Tanterahina anio tolak’andro, eny amin’ny AFT Andavamamba, […]

Vaovao tambatra

Niakatra ho 3 100 Ar ny kilaon’ny vary « stock » hafarana avy any ivelany. Mahatonga izany ny halafosan’ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, 400 dolara ny vidin’ny 1t. Raha adika io, mahatratra 140 000 Ar ny vidin’ny iray gony, milanja 50 kg, handraisan’ny mpamongady azy. Manodidina ny 2 800 Ar hatramin’ny […]