« Diary Nofy ». Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Librairie St Paul Analakely, ny atrikasa angano, andiany fahasivin’ny tetikasa «Diary Nofy». Niavaka kely ny tamin’ity andiany ity noho ny fisian’ny fampisehoana teatra niarahana tamin’ny Zara aina. “Blanche Neige 2.0”. Notanterahina omaly, teny amin’ny Aft Andavamamba, ny fampisehoana angano […]
Tselatra
FANTINA sy FINTINA
Efa mivonona ny hanolotra anarana praiminisitra ho lehiben’ny governemanta ny parlemantera IRD. Nambaran’ny filohan’izy ireo, ny depiote Velontsara Paul Bert, fa mbola hisy ny dinika hataon’ ny maro anisa momba izany. Tahaka izany koa ny hanolorana minisitra. Mbola hitohy anio, raha tsy misy ny fiovana, ny fanadihadian’ny zandary, sampana misahana […]
TSELATRA
Teratany vahiny iray mpizahatany norobaina vehivavy roa tao Morondava, ny faran’ny herinandro teo. Namana akaiky io vazaha io ihany ny iray tamin’ireo vehivavy nandroba azy. Lasa ny vola 400 euros sy finday roa, niampy vola malagasy 400 000 Ar. Nosamborina ireo roa vavy nanao ny halatra ka notanana hatao famotorana. […]
SOMBIM-BAOVAO
Notanterahina omaly, teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Rugby, sokajy vehivavy. Tafita eo amin’ny famaranana ny SCB Besarety sy ny FTFA Antohomadinika. Miady ny laharana fahatelo, araka izany, ny RCTS Soavimasoandro sy ny FTM Manjakaray. Mitohy ihany ny fahombiazana ho an’ny Aston Villa FC, […]
VAOVAO TAMBATRA
Nisokatra ny 7 desambra teo ny taom-panangonana sy fanondranana lavanila any ivelany, ho an’ny taona 2023 sy 2024, ary hikatona amin’ny jolay 2024. Nahatratra 900 taonina ny lavanila naondrana tany ivelany ny taona 2022, raha nidina ho 500 taonina ny taona 2023. Miisa 60 ny matihanina amin’ny fizahantany avy any […]




