Tselatra

SOMBIM-BAOVAO

Manatanteraka fivoriambe eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny Fede­rasiona malagasin’ny basikety. Nanomboka omaly zoma 8 desambra izany AG izany ary mbola hitohy ho amin’ny anio. Hampahafantarin’izy ireo anio ihany koa ny fandaharam-potoana miandry, ho an’ny taom-pikatrohana 2024. Notontosaina omaly zoma 8 desambra, teny amin’ny Yandy Bypass, ny fihaonamben’ny mpankafy sy […]

VAOVAO TAMBATRA

Ho raisin’ny fanjakana an-tanana ny fandoavan-ketra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana ny fi­taovana ilaina amin’ny tetikasa Teleferika (transport par câble). Voakasik’izany ny fitaterana an-tariby ho an’ny ampahan-dalana mampitohy an’i Soarano sy Ivandry, ao anatin’ny zotra volomboasary (Anosy-Ambatobe). Handray anjara amin’ny fivorian’ny Fida 13, hatao any Parisy Frantsa, ny 14 sy […]

INDRAY MIJERY

Manohana manokana ny tovovavy sy ny vehivavy ny fandaharanasan’ny Banky iraisam-pirenena momba ny fiahiana sosialy. Nanomboka ny taona 2015, nahatratra 258 156 ny vehivavy nahazo tohana ara-bola sy voaofana. Afaka nanohy fianarana koa ny ankizivavy miisa 162 522, 6 hatramin’ny 14 taona. Natomboka teny Ambatoroka ny fivoriana ho fametrahana ny rafitra Comité […]

TARATRY ny KANTO

Lanonambe eny amin’ny Kianjan’ny hiragasy. Taorian’ny fanambarana ofisialy ny maha harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona ny hiragasy, hisy ny fety lehibe izay hotontosaina eny Ampefiloha, rahampitso alahady. Arahina ady hiragasy goavana hatrany izany, izay hifandonan-dry Marie Louise avy any Anivorano sy ry Fredikely avy eny Imerintsiatosika. “Tsy misy mahaFOHY aina…”. Fampisehoana fanehoana […]

FANTINA sy FINTINA

Tsy nanembantsembana ny amperinasa rehefa nisotro ronono ny Jly Ranjeva Marcel, araka ny nambaran’ny filoham-panjakana, ny Jly Ravalo­manana Richard teny Ambohitsirohotra, omaly. Nankasitraka ny andraikitra nomena azy, ho lehiben’ny mariboninahi-pirenena kosa ny Jly Ranjeva Marcel tamin’izao fihaonana izao. Nolanian’ny Antenimierandoholona tsy nasiam-panovana ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola, taona 2024. Tamin’ny […]