Manao ranolava ny fihaonan’ireo kandidà 10 amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Noraisin’ny solontena maharitry ny Pnud eto amintsika izy ireo, afakomaly, teny Andraharo. Nitohy tamin’ny dinika tamin’ny ambasadaoron’ny Vondrona eoropeanina (UE), izany, omaly. Tsy nisy nipika hatrany ny dinika. “Misy hatrany ny politika. Niainana an’izany avokoa teto amin’ny firenena: savorovoro rehefa misy […]
Tselatra
Tselatra
Dimy lahy mpidoroka zava-mahadomelina voasambotry ny zandary Atsimontsena, kaominina Sabotsy Namehana, omaly. Nokarohina ny lehilahy iray voalaza ho mpivarotra rongony. Niafina tany anaty trano fivoahana anefa izy ka tratra. Nosamborina niaraka taminy ny lehilahy efatra mpidoroka. Telo lahy voasambotry ny mpitandro filaminana tao Betioky Atsimo, omaly. Nikasa hivarotra zaza varira […]
SOMBIM-BAOVAO
Araka ny vaovao voaray omaly, tafita hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja tenisy ambony latabatra, i Madagasikara. Nahazo ny laharana fahadimy isika nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, izay atao any Tunisie, ny 11 – 17 septambra. Lavontsika tamin’ny seta 3 no ho 2 i Cameroun. Mitombo hatrany […]
INDRAY MIJERY
Nahazo filazana fampitandremana miloko mena amin’ny herin’ny ranomasina ny eo anelanelan’i Besalampy sy Farafangana; miloko mavo kosa eo anelanelan’i Farafangana hatrany Nosy Varika. Tombanana hahatratra 4,5m ny haavon’ny onja eo anelanelan’i Morondava ka hatrany Farafangana. Manan-kery nanomboka omaly hatramin’ny anio izany, hoy ny Foibe famantarana ny toetry ny andro. Noraisin’ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Nilaza ny Jirama fa tsy delestazy ny fahatapahan-jiro, naharitra ora maro manerana ny faritra maromaro teto an-drenivohitra, tamin’ny alina. Fanapahana noho ny antony teknika no natao satria nisy fahasimbana ny fitaovana sy kojakoja amin’ny famatsiana herinaratra teny Anosizato. Tratra nangalatra jiron’ny Jirama ny toerana mpanamboatra kodiarana (vulcanisation) iray eny Anosizato. […]