Tselatra

TSELATRA

Mpanao gazety iray naratra nodarohana telo lahy tetsy Paraky, afakomaly. Nosakanan’ny andian-dehilahy avy nisotrosotro izy. Nidina hanisaka ireo lehilahy nibahana ny lalan’ny moto nentiny io mpanao gazety io, kinanjo niharan’ny daroka sy vono. Zazavavy 5 taona niharan’ny fanolanana tao Ambatotokana, fokontany Ambalabe, ny alin’ny alakamisy hifoha ny zoma 8 desambra […]

SOMBIM-BAOVAO

Manomboka manatanteraka fifaninanana avy ireo seksiona anivon’ny ligy eto Madagasikara. Anisan’ireo efa manao izany ny any Bongolava, ny alarobia lasa teo. Ankoatra izay, miditra amin’ny manasa-dalana izao ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’ Anosy. Marihina fa ny alahady lasa teo ny ampahefa-dalana. Notanterahina ny alarobia lasa teo, ny andro faha-15 […]

INDRAY MIJERY

Nankatoavin’ireo mpikambana eo anivon’ny Komity mpitantana ny tetikasa fanjarian-tsakafo sy fahasalamana ifotony (Fafy) ny fandaharanasa ho an’ny taona 2024. Laharam-pahamehana amin’ny lahasa ny fanamafisana ny serasera ho an’ny fiovam-pihetsiky ny fiarahamonina, handresena lahatra ny olona hanatona tobim-pahasalamana. 18 andro sisa dia higadona ny fetin’ny krismasy. Efa miravaka avokoa ireo tranombarotra […]

FANTINA sy FINTINA

Voatendry ho lehiben’ny mariboninahi-pirenena ny Jly Ranjeva Marcel, araka ny tapaka teo anivon’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly. Efa minisitry ny fiarovana, fony fitondrana Ratsiraka ary minisitry ny Raharaham-bahiny, tamin’ny fitondrana Ravalo­manana izy. Niarahaba ny fahavitan’ny fifidianana ny Japoney, tamin’ny alalan’ny mpitondra tenin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, i Maki Kobayashi. Nizotra tamim-pilaminana izany […]

TSELATRA

Ben’ny Tanàna iray tao amin’ny kaominina Am­pondralava Ambilobe, hita faty nihantona tamin’ny tady teo amin’ny manga maniry, omaly. Nivoaka ny trano fonenany izy ny alin’ny alarobia teo ary nilaza mbola hiverina. Poa toy izay, fatiny efa nihantona tamin’ ny hazo no hitan’ny manodidina. Mampiahiahy ny fokonolona ao an-toerana izao fahafatesan’io […]