Tselatra

FANTINA sy FINTINA

Efa mananika maherin’ny 80% ny voka-pifidianana voarain’ny Ceni, omaly hariva tamin’ny 7 ora. Tsy nisy fiovana fa mitarika hatrany ny kandidà Rajoelina, nahazo ny 59,80%. Faharoa, nahazo ny 12,83% ny kandidà Ravalomanana, arahin’ny kandidà R. Siteny, 12,76%. “Raharaha Andohanimandroseza”, tsy misy mpiambina ny filohan’ny Antenimiera ireo voatifitra, araka ny nambaran’ny […]

TSELATRA

Zazakely iray naratra mafy nianjeran’ny sobika feno manga teny Anosibe Tsena, omaly atoandro. Kamiaobe iray feno manga no nivarotra teny an-toerana. Nifandrombaka ireo mpividy ka nianjera tamina zazakely zanaka mpivarotra teo akaikin’ilay fiara ny sobikabe nisy manga. Na teo aza ny ratra nahazo azy, avotra soa aman-tsara ihany ny ainy. […]

SOMBIM-BAOVAO

Tsy nandeha namonjy ny filankevitrin’ny fitsipi-pifehezana (CODIS) tany Thailande, ny filo­han’ny Federasiona malagasin’ny tsipy kanetibe (FSBM), Andriamilerovason Amiroudine. Nohamafisiny ihany fa efa nandefa taratasy tany amin’ i Claude Azema, filoha iraisam-pirenenan’ity taranja ity ny tenany amin’ny antony izany. Lavon’i Comores tamin’ny isa 1 no ho 0 i Ghana, ny talata […]

INDRAY MIJERY

Nanome ra maimaimpoana teny amin’ny Mosquée Palestine 67 ha, omaly, ny fikambanan’ny Tanora silamo sonita eto Madagasikara, FT2SM, sy ny YGC (Youth Generation Conqueror). Fanavotana ain’olona no tanjona ary tafiditra ao anatin’ny Androm-paritra ho an’ny fanomezan-dra rahateo. “Betsaka ny olona tsy ampy ra dia mba mandray anjara amin’ny fanampiana azy […]

TARATRY ny KANTO

« Trio Inédit ». Ny 19 novambra teo, nanatanteraka seho i Felaniary sy i Lilie. Hitohy ny sabotsy 25 novambra izao izany ao anatin’ny « Trio inédit sur Bordeaux ». Fampiaraham-peon’i Elsie sy Felaniary ary Lilie, hotanterahina ao amin’ny 26 Chemin du pas de la côte 33140 Villenave-d’Orion any Bordeaux. Anisan’ny hitana ampaham-potoana lehibe mandritra […]