Namoaka fanambarana ny fikambanana Zanaka Antanala (Zanta), afakomaly, fa tsy manao politika, tsy manolotra sy tsy manohana olona hirotsa-kofidina amin’izao fifidianana filohan’ny Repoblika izao. Izay no maha fikambanana tsotra sy amin’ny maha fikambanan-drazana azy, izay ikambanan’ny distrika roa, Ikongo sy Ifanadiana. Koa lavin’ny fikambanana ny fampiasana ny anarany amin’ny fanolorana […]
Tselatra
TSELATRA
Zazavavy telo volana narian-dreniny an-kolaka teny Ambohimamory-Itaosy, omaly. Napetrany tamin’ ny zazavavy 12 taona io zanany io. Nilaza hiantsena vetivety izy kinanjo tsy niverina intsony. Nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny zandary ao an-toerana rehefa naharay fampandrenesana. Fiara nanitsaka olona iray nifandrimbonan’ny fokonolona nosakanana tetsy Anosizato, omaly. Nikasa handositra niaraka […]
INDRAY MIJERY
Tonga nankahery sy nanara-maso ny fivoaran’ny fahasalaman’ireo naratra nandritra ny zava-nitranga teo Mahamasina, teny amin’ny HJRA ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny minisitry ny Tontolo iainana ary ny talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny Repoblika. Nanolotra sakafo mafana ho an’ireo marary, solon-dranom-boakazo sy bodofotsy izy ireo. Herinandro sisa dia hisantatra ny taom-pianarana vaovao […]
Sombim-baovao
Naharitra roa ora mahery ny fifanandrinan-dRanaivo Mialy sy i Girarde Emmanuelle, vehivavy mpilalao Tenisy Renioney, omaly, teny Ambohidahy. Tafavoaka mpandresy tamin’izany ny Malagasy rehefa nanenjika isa sy naka ny tapakila hanaovana ny manasa-dalana. Marihina fa i Mialy, anisan’ny mpilalao niatrika ny Billie Jean King, tamin’ity taona ity. Nifarana, omaly, teny […]
TARATRY ny KANTO
Rakibolana. Nampahafantarina omaly, teny amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola ny « Rakibolana I », mampivondrona ireo teny sy voambolana teknika ara-ekonomika. Fiaraha-miasan’ny departemantan’ny minisitera rehetra sy ny holafitry ny mpanao gazety ary ny Foibem-pitondran’ny Seraseran’ny MEF no nahatanteraka ny tetikasa. Village Culturel des jeux des iles. Mitohy hatrany ny fampialana voly […]