Tselatra

TSELATRA

Vehivavy iray voatifitry ny olon-dratsy teo amin’ny kibony sy ny tanany nandritra ny fanafihan-jiolahy tao amin’ny fokontany Batiment , kaominina sy distrika Mahabo, tamin’ny 8 ora alina. Lasibatra nandritra ny fifandonana koa ny miaramila iray izay voatifitra teo amin’ny feny. Zana-tsokatra 20 isa no azon’ ny zandary tao amin’ny fokontany Belinjo, […]

SOMBIM-BAOVAO

Manatanteraka fanazarantena eny Carion, nanomboka ny alatsinainy 27 novambra lasa teo, ny ekipam-pirenena zandriny, lahy sy vavy, latsaky ny 15 taona (U15), taranja baolina kitra. Hiatrika ny fifani­nanana “Cosafa School” izay hotanterahina any Zimbabwe, ny 14-16 desambra ho avy izao izy ireo. Notanterahina nanomboka omaly, teny amin’ny kianjan’ny Club Olympique […]

VAOVAO TAMBATRA

Mihena 4 MW ny tanjaky ny herinaratra any Andekaleka izay tokony hanana tanjaka 120 MW. Antony, tsy ampy ny ranonorana ka voatery mihena koa ny tanjaky ny famatsiana herinaratra. Izay no anisan’ny antony hanaovana delestazy, manomboka amin’ny 2 ora alina hatramin’ny 4 ora sasany maraina, indrindra ny eto Antananarivo sy […]

TARATRY ny KANTO

Mitohy ny ady hiragasy. Hifandona etsy amin’ny Kianjan’ny hiragasy Ampefiloha, rahampitso alahady manomboka amin’ny 10 roa maraina, ry Razoanibe Anivo­rano sy ry Valson Mahasolo. Marina fa samy tropy tsy mbola malaza, saingy manan-ko zaraina avokoa izy ireo, manana paikady vaovao hampitiavana ny hiragasy ka mendrika ny hiakatra kianja, indrindra fa […]

FANTINA sy FINTINA

Tsy maintsy tohizana ny ady amin’ny kolikoly, ny hosoka sy ny tsy rariny amin’ny endriny rehetra, araka ny nambaran’ny filoha nasionalin’ny MTS, Ratsiraka Roland. Nanteriny fa haharitra telo volana na mihoatra aza ny tolona. “Tsy maintsy mandresy isika”, hoy izy. Niarahaba ny filoha Rajoelina Andry amin’izao nahavoafidy azy izao indray […]