Misanda 4 797 Ar ny 1 euro, raha 4 470 Ar ny 1 dolara, omaly 20 novambra. Niakatra kely ny lanjan’ny euro satria 4 713 Ar ny sandany ny 30 okrobra teo. Nidina kely kosa ny dolara, satria nahatratra 4 503 Ar tamin’ny 20 oktobra lasa teo. Manodidina ny 3 […]
Tselatra
TARATRY ny KANTO
« Onjam-po amperin’asa ». Antsan-tonononkalo Faribolana Sandratra hataon’ireo mpanentana sy mpamokatra fandaharana ao amin’ny radio. Seho hotanterahina ao amin’ny Cercle Germano-Malagasy, amin’ny tohatohabaton’Antaninarenina. Hifarimbona amin’izany i Mi Ramanitra, Nanja R, Griffine Bakoliniaina, Ony Mihajanirina, Meva, ary i Miah Rabeson. Mitohy hatrany ny dian’ny Tarika Jeneraly. Etsy amin’ny Piment café Behoririka indray no […]
FANTINA sy FINTINA
Nambaran’ny Vovonan’ireo foko Betsileo, Antesaka, Antemoro, Antandroy, Antefasy ary Makoa (Baam) fa tsy azo ekena ny faniratsirana an-dRazanamahasoa Christine. “Mbola feno sy tanteraka ny maha renin’ny firenena azy… Aoka koa tsy hokitihina ny mpikambana Baam”, hoy izy ireo . Naneho fahavononana ny hanohy ny tolona ireo kandidà 10, araka ny […]
TSELATRA
Maty tsy tra-drano ny lehilahy iray 55 taona niharan’ny lozam-pifamoivoizana, teo amin’ny fiolanana Boanamary, Mahajanga, afakomaly hariva. Nanaraka kamiao mpitaona fasika io lehilahy io. Niharan-doza tampoka ny fiara narahiny ka maty voatsindry io lehilahy io. Renim-pianakaviana may kilan’ny afo tao Tamatave, ny 16 oktobra teo. Ahiny ho ny mpanampy azy […]
VAOVAO tambatra
Manomboka miverina amin’ny laoniny ny tsena eny Analakely sy ny manodidina taorian’ny toe-draharaha politika teto an-toerana. Miverina manokatra ny varavaran’ny tsenany ireo mpivarotra. Niantraika betsaka tamin’ny fihariana ny toe-draharaha toa ireny, misy tokoa ireo mpanararaotra ny hetsika ka mandroba sy mandrava tsena. Hatao ny 27 novambra izao ny fiofanana ho […]




