Misy tsy fahatomombanana ny lisi-pifidianana, raha ny nambaran’ny filohan’ny Ampela manao politika (AMP), Rasamoelina Brigitte. 15 tapitrisa no tokony ho isan’ny mpifidy, nefa 11 tapitrisa ihany no voasoratra. Manana adidy ny Ceni, na marina aza ny hoe misy ny olona tsy te hisoratra. Fotoana izao hananganana governemanta vaovao hikarakara fifidianana […]
Tselatra
TSELATRA
Renim-pianakaviana iray nendahin’ny jiolahy teny Ampefiloha, manakaiky ny lakandranon’ Andriantany, afakomaly alina. Lasan’ireo jiolahy telo ny poketra teny aminy. Rehefa vita ny asa ratsy, nazeran’ireo jiolahy tany anaty ranom-potaka ilay vehivavy tsy ahafahany miantso vonjy sy manenjika. Mpiambin-tanàna telo mianadahy nivarotra ny entan’ny mpampiasa azy. Saron’ny zandary ny 22 jolay […]
SOMBIM-BAOVAO
Nigadona tany Kinshasa RD Congo, omaly, ny delegasiona malagasy andiany voalohany, hiatrika ny lalaon’ny Frankofonia. 44 ny isan’ny delegasiona (basikety, tolona, atletisma, tenisy ambony latabatra), miampy atleta 2 avy ao Frantsa, ahitana an’i Fabio (ping) sy i Marion (basikety). Hanainga rahampitso sabotsy kosa ny taranja Judo sy ny kolontsaina. Hotontosaina […]
Vaovao tambatra
Lohahevitra momban’ny fitantanana ny harena an-dranomamy sy fahafaha-manao famokarana aminy ary ny fifanaraham-piaraha-miasa amin’i Madagasikara. Ireo no novoaboasana nandritra ny andro fahafiton’ny seminera mahakasika ny jono atao any Sina, omaly. Maro ireo teboka nivoitra nandritra ny hetsika. Atao mandritra ny roa andro, ny 28 sy 29 jolay izao, ny fampihaonana […]
INDRAY MIJERY
Rahampitso, manomboka amin’ny 7 ora maraina ka hatramin’ny 11 ora atoandro, dia ho tapaka amin’ny ampahany ny lalana eo anoloan’ny Instat, RNM, Fitsarana, Anosy ary St Michel. Hisy ny hazakazaka masina ataon’ny FJKM Ambondrona SP19 amin’ireo toerana ireo. Nampilaza ny fiadidiana ny tanànan’ Antananarivo Renivohitra fa foana ireo toeram-piantsonana eo […]