Tonga, omaly, tany Ihosy, ny milina mamokatra herinaratra 400 KW. Niaina sy niaritra ny fahatapahan-jiro ny mponina any an-toerana nandritra ny telo volana. Niezaka nitady vahaolana ny Jirama sy ny fanjakana foibe, ka izao voavaha izao ny olana. Ho avy tsy ho ela koa ny milina ho an’i Sakaraha. Haharitra […]
Tselatra
FANTINA sy FINTINA
Nohalavain’ny fitsarana 48 ora ny fihazonana ny depiote Ralambozafimbololona Fetra, eny anivon’ny zandary, misahana ny fikarohana heloka bevava Fiadanana. Tokony ho tapitra, omaly izany. Tsiahivina fa nosamborina teny Mahamasina nandritra ny hetsika ny alarobia lasa teo izy. Nihaona tamin’ny iraky ny Sadc ny Vondron’ny kandidà 10, omaly. Tsy azo natrehina […]
TSELATRA
Tovovavy roa indray naratra nendahin’ny tontakely teo Analakely, omaly tolakandro. Efa nisy nahatsikaritra izy roa narahin’ireo mpanendaka, saingy tsy afa-nanoatra fa nitazana fotsiny. Lasan’ireo jiolahy ny poketra nisy vola sy finday. Nilaza anefa izy ireo fa handeha hividy fanafody hitsaboana olona tsy salama, kanjo izao lasan’ny olon-dratsy izao ny vola. […]
VAOVAO TAMBATRA
Hiverina tsy ho ela ny zotra an-dalamby « train express », mampitohy an’i Fianarantsoa sy Manakara (FCE). Efa vita avokoa ny asa fanarenana sy fanamafisana ny lalamby any Tanakidy, taorian’ny lozam-pifamoivozana tany Tanakidy Voromailala, ny 20 septambra 2023 teo. Efa niverina ny zotra « train mixte » hatreo Sahasinaka, nanomboka ny 1 oktobra. Mikatona […]
INDRAY MIJERY
Tanterahina ao Antsirabe hatry ny omaly ary aharitra 5 andro ny atrikasa fanatsarana ny paikady fizarana faobe sy maimaimpoana ny lay misy odimoka ho an’ny taona 2024. Anisan’ny fomba iray fiarovantena amin’ny kaikitry ny moka ny fatoriana anaty lay. Izany indrindra no hanavaozana hatrany ny fomba fizarana hisitrahan’ny rehetra izany. […]




