Tselatra

Tselatra

Fiara voalaza fa an’ny manamboninahitra iray no nandona ka nahafaty lehilahy iray teny amin’ny lalan’ny Rocade Iarivo afakomaly alina. Noho ny fanamboarana teny an-toerana, nizotra tamin’ny lalan-tokana ireo fiara sy moto mpivezivezy araky ny nambaran’ilay tovolahy iray naman’io namoy ny ainy io. Voafaokan’ny fiara nentin’io manamboninahitra io arak’izany izy roalahy […]

Tselatra

Maty voatifitry ny zandary ny dahalo mpamono olona iray tao amin’ny kaominina Vohitrambo, distrikan’i Vangaindrano ny 05 janoary teo. Nanafika raim-pianakaviana iray ny alin’ny 30 desambra ka namono nahafaty azy , nokarohin’ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana ity dahalo ity. Naratra ny roa tamin’ireo nanara-dia tamin’io andro io. Ny marain’ny […]

Tselatra

Niakatra fampanoavana omaly ireo olona miisa telo voatondro nisoloky olona tamina resaka « mercure ». Niseho teny Vontovorona ity fivadiham-pitokisana miharo fisolokiana ity, hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao iray. Nambarany tamin’izay fa efa nahazo vola mitentina 5 tapitrisa Ar mihitsy ireo jiolahy tamin’ity raharaha ity. Voasambotra afakomaly atoandro teny amoron’ny lalam-by teo […]

Tselatra

Nahazo vahana ny fivarotana sakafo lany daty nandritra ny fankalazana ny fety teo. Betsaka ireo nitaraina ho narary kibo vokatr’izany. Ireo sakafo anaty boaty izany sy ireo bisky sy vatomamy no tena nahitana. Nirongatra ny fanendahana anaty taxi-be sy sinto-mahery teny amin’ny fiantsonan’ny taxi-be teto an-drenivohitra tao anatin’ny fety. Ireo […]

Tselatra

Zazamena vao valo volana efa tsy nisy aina intsony no hita tao anaty rano maloto tetsy Anjanahary omaly taorian’iny oram-be nikija iny. Natsingevan’ny rano izany ka hitan’ireo mponina teny an-toerana. Tsy fantatra hatreto izay olona ninia nanao ity habibiana ity. Marihina fa melohin’ny lalàna velona ny zavatra toy izao.