Tselatra

Taratry ny kanto

“Conference Live” miaraka amin’i Silo. “Avy any amin’ny aingampanahy, mankany amin’ny hira vita”. Ao anatin’izay fotoana nanaovany ny tolotra fanohanana ireo mpamoron-kira izay i Silo amin’izao fotoana izao. Hofaranany, anio, etsy amin’ny ADMC-Craam Ankatso izany, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Atrikasa, velakevitra arahina fampisehoana io. Tafaverina indray ny hetsika ara-javakanto […]

Fantina sy fintina

Nitaky ny fampitahana ny taratasy firaketana voka-pifidianana (PV) avy any amin’ny Ceni sy ny avy amin’ireo kandidà, i Fanirisoa Ernaivo, araka ny fanehoan-keviny, omaly. “Fomba iray ahafahana mamoaka valim-pifidianana tena izy sy marina izany”, hoy izy. Nanteriny fa tsy hanaiky ny voka-pifidianana feno hosoka sy tsy nanara-dalàna ny tenany. Nirary […]

Tselatra

 Nasesin’ny jiolahy ny tokantrano miisa telo tao amin’ny fokontany Belobaka, Mahajanga II, afakomaly tamin’ny 2 ora maraina. Niantso vonjy tamin’ny manodidina sady nitsioka kiririoka ny lasibatra ka tsy nahazo na inona na inona ireo jiolahy. Raim-pianakaviana iray niezaka niaro tena voafiran’ny antsy nataon’ireo mpandroba.  Renim-pianakaviana roa sy zazalahy 10 taona […]

Sombim-baovao

Manana hetsika lehibe iray, amin’ity taona 2025 ity, ny taranja bisikileta. Hampiantrano ny lalaon’ny ranomasimbe Indianina ny federasiona, ny volana ao­gositra ho avy io, raha tsy misy ny fiovana. Tsy mbola fantatra mazava anefa ny mpilalao hanao izany. Araka ny fikarohana natao, hiverina hanao fanazarantena ao amin’ny Kianja Rabemananjara Mahajanga, […]

Fampirantiana hosodoko etsy amin’ny Radisson Blu Ambodivona. Mpanatalenta 17 no mampiranty ny sanganasany eny an-toerana. Mandray anjara amin’ilay hetsika iraisam-pirenena, amin’ny fanatrarana ireo tanjon’ny fampandrosoana maharitra izy ireo, izay miainga avy any amin’ny ZeeArts any Dubaï. Nisy ny fikotrehana nandritra ny 24 ora, namoahan’ireo mpa­nakanto ny aingampanahiny. Revy Lôlô sy […]