Hiverina ny “Tafan-glita”. Tetikasa iray, nampiarahana ireo kalaza amin’ny tendry gitara amin’izao fotoana, ahitana an’i Mbola Talenta, Jovin, Nini Kolibera ary i Hoby. Lasa anaran’ny tarika mihitsy taty aoriana izany. Hiaka-tsehatra etsy amin’ny Piment Café Behoririka ry zalahy ny zoma izao, manomboka amin’ny 8 ora alina. Hitondra ny tafasiry eny […]
Tselatra
FANTINA sy FINTINA
Hiditra an-tsehatra amin’ny fihaonambem-paritry ny FFKM, tanterahina eny amin’ny FLM Ambatovinaky, anio ireo mpanao politika. Anisan’ireo hakana hevitra amin’ny raharaham-pirenena izy ireo sy ny fiarahamonim-pirenena eo amin’ny sosialy, fihariana sy toekarena ary koa ny politika. Nambaran’ny loholona Ramanambitana Richard, teny Anosy, omaly, fa adihevitra mivilana ny momba ny fizakan’ny filohan’ny […]
TSELATRA
Tratran’ny zandary teny Andravoahangy ny lehilahy iray milaza fa pasitera nivadika ho nanao asan-jiolahy. Mianjaika sy mitondra Baiboly izy rehefa hanao ny asa ratsiny. Nitory teny tamina mpivarotra akoho, henan’omby sy henan-kisoa. Vita ny toriteny, angalany entana ny lasibany. Omeny laharana finday tsy misy, rehefa azony ny entana. Manjavona izy! […]
SOMBIM-BAOVAO
Taorian’ny andro faran’ny fiadiana ny tompondakan’ny ligin’i Matsiatra Ambony, sokajy Ligy 1, vao fantatra fa voahosotra ho tompondaka ny ekipan’i Tsaraofana. Ny taona 2016 no nitsangana ny sekolin’ny baolina kitra Tsaraofana. Niakatra Ligy 2 ny taona 2019. Marihina fa anisan’ireo ekipa manana ny lanjany ao Matsiatra Ambony ny Tsaraofana. Hivoaka […]
INDRAY MIJERY
Mitohy ny fivoahan’ny valim-panadinana BEPC 2023. Efa azo jerena ao amin’ny tranonkalan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena na ny tambajotra serasera facebook ny vokatra. Anatin’ny efa vita ny Cisco Maintirano, Ikalamavony, Ankazobe, Benenitra, omaly. Nanambara ny tomponandraikitra fa roa herinandro eo ho eo ny faharetan’ny fitsarana. Efa lasa eny anivon’ny oniversite tsirairay ny […]