Dimy lahy mpidoroka zava-mahadomelina voasambotry ny zandary Atsimontsena, kaominina Sabotsy Namehana, omaly. Nokarohina ny lehilahy iray voalaza ho mpivarotra rongony. Niafina tany anaty trano fivoahana anefa izy ka tratra. Nosamborina niaraka taminy ny lehilahy efatra mpidoroka. Telo lahy voasambotry ny mpitandro filaminana tao Betioky Atsimo, omaly. Nikasa hivarotra zaza varira […]
Tselatra
SOMBIM-BAOVAO
Araka ny vaovao voaray omaly, tafita hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja tenisy ambony latabatra, i Madagasikara. Nahazo ny laharana fahadimy isika nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, izay atao any Tunisie, ny 11 – 17 septambra. Lavontsika tamin’ny seta 3 no ho 2 i Cameroun. Mitombo hatrany […]
INDRAY MIJERY
Nahazo filazana fampitandremana miloko mena amin’ny herin’ny ranomasina ny eo anelanelan’i Besalampy sy Farafangana; miloko mavo kosa eo anelanelan’i Farafangana hatrany Nosy Varika. Tombanana hahatratra 4,5m ny haavon’ny onja eo anelanelan’i Morondava ka hatrany Farafangana. Manan-kery nanomboka omaly hatramin’ny anio izany, hoy ny Foibe famantarana ny toetry ny andro. Noraisin’ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Nilaza ny Jirama fa tsy delestazy ny fahatapahan-jiro, naharitra ora maro manerana ny faritra maromaro teto an-drenivohitra, tamin’ny alina. Fanapahana noho ny antony teknika no natao satria nisy fahasimbana ny fitaovana sy kojakoja amin’ny famatsiana herinaratra teny Anosizato. Tratra nangalatra jiron’ny Jirama ny toerana mpanamboatra kodiarana (vulcanisation) iray eny Anosizato. […]
FANTINA sy FINTINA
Hanohana kandidà roa ny RMDM, araka ny nambaran’izy ireo tetsy Ampandrana, omaly. hanohana ny kandidà Ravalomanana Marc sy Rajaonarimampianina Hery ny mpanohitra. “Malalaka ireo antoko eo anivon’ny RMDM hisafidy ny iray amin’ireo… Manala ny tenany kosa ireo manohana kandidà hafa”, hoy ny pasitera Tsarahame Edouard. Naneho ny heviny ireo CST […]




