Betsaka ireo maniry handeha ny zotra an-dalamby FCE amin’izao vanim-potoana fialantsasatra izao. Mihoatra ny 7 ora eo ny dia amin’ireo lamasinina mampitohy an’i Fianarantsoa sy Manakara. Misy karazany ny train express izay mitondra mpandeha sy ny train mixte izay mitondra mpandeha sy entana. Hiitatra hatramin’ny rahampitso ny fe-potoana farany handraisana […]
Tselatra
TSELATRA
Mpianatra iray mpanala fanadinam-panjakana BEPC no niharan’ny fanendahana nataon’ny jiolahy teny Ankadivato, omaly hariva. Nandeha irery izy tamin’io fotoana io no nifanena tamina jiolahy roa tanaty elakela-trano iray mihazo an’Ankadivato. Nalain’ireo olon-dratsy ny kitapokely misy ny kojakoja ampiasainy amin’ny fanadinana, miaraka amin’ny finday. Nosintonin’ny zandary ny taratasy fahazoan-dalan’ilay mpamily taksibrosy, […]
SOMBIM-BAOVAO
Basikety Tafaverina eto an-tanindrazana omaly ny Ankoay, avy niaro ny voninahi-pirenena, nandritra ny Mondial “FIBA World Cup U19 2023”, natao tany Debrecen, ny 24 jona-2 jolay. Laharana faha-14 i Madagasikara. Voahosotra ho mpilalao nahatafiditra baolina be indrindra, nandritra ity fifaninanana ity i Mathias M’Madi. Tonga nitsena azy ireo teny Ivato, […]
VAOVAO TAMBATRA
Tafavoaka tao amin’ny toeram-pitrandrahana ihany ny mpiasan’ny orinasa QMM. Afaka namonjy ny fianakaviany izy ireo, rehefa nihitsoka tao am-piasana nandritra ny andro maromaro. Laharam-pahamehana ho an’ny QMM hatrany ny fifampidinihana amin’ny ankolafy samihafa satria izay ihany no ahitana vahaolana, mba hisian’ny fandrosoan’ny toekarena, sosialy ary ny asa. Nihena ny vidin’ny […]
INDRAY MIJERY
Tsy azo ampiasaina amin’ny lalam-pirenena ny Bajaj, araka any fampahatsiahivan’ny minisiteran’ny fitaterana, afakomaly. Voarara tanteraka ny fandehanany ivelan’ ny tanàna sy eny amin’ny lalana maro mpivezivezy ary ny lalana fandehanana haingana. Tsy miohatra ny 40km ny hafainganam-pandeha na any an-tanàna aza. Tsy mety mandray ny vola vy 50 Ar intsony […]