Nanao fanambarana ny solontenan’ireo ligim-paritry ny baolina kitra, ny zoma lasa teo, teny Isoraka fa tsy manaiky ny fanaovana tery vay manta ny fifidianana seksiona manerana ny Nosy. Nambaran’i Hawell Mamodaly, filohan’ny ligin’i Menabe fa tsy mifanaraka amin’ny lalàna mifehy ny fifidianana ny lisitr’ireo klioba mandatsa-bato. Misy ekipa tsy nahavita […]
Tselatra
TARATRY ny KANTO
Hotanterahina, anio, ao amin’ny Doany Miarinarivo, Mahajanga, ny Fitampohan’Andriamisara Efadahy Manankasina. Ny fianakaviamben’ny mpanjaka Sakalava sy Dina Herimisy Guy, Mpanjakaben’i Boeny no mikarakara ny hetsika. Fampandroana ny taolambalon’ireo Dady ahazoany ny anarana masina “Razana” no atao ao anatin’izany. Tontosa soa aman-tsara, teny amin’ny Imaitsoanala Ambohimangakely, ny “Internationale Reggea Day 2023”, […]
FANTINA sy FINTINA
Nalevina ny sabotsy teo, any amin’ny fasan-drazany ao Antanandava , kaominina Anjiamangirana, ny nofo mangatsiakan’ny depiote Jao Jean. Nifanitsa-kitro ireo vahoaka nirohotra nandritra ny fotoana naha teo am-bohitra ny razana ary samy nihetsi-po avokoa ny rehetra, hatrany amin’ny fiaretan-tory sy ny famangiana ka hatreny am-pandevenana. Nodimandry teo amin’ny faha-80 taonany […]
TSELATRA
Vehivavy iray voaendaka tao amin’ny Pavillon Analakely, omaly tolakandro. Nikasa hividy entana izy no narahin’ny jiolahy roa. Ny iray mody mibahana eo aloha, ny iray kosa misintona an-keriny ny poketra nisadika teo amin’ny valahany. Lasa nitsoaka avy hatrany ireo jiolahy taorian’izay. Tsy afa-nanoatra koa ireo mpivarotra sy ireo olona teo […]
SOMBIM-BAOVAO
Rugby vehivavy Hifanandrina, anio, etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny fifaninanana rugby diviziona voalohany (D1) sy faharoa (D2), vehivavy. Ny fihaonan’ireo D2, SCB Besarety sy ny XV Red Tanjombato no hanokatra ny lalao voalohany. Aorian’io, hikatroka ry zareo samy D1, RCTS Soavimasoandro sy ny FTFA Antohomadinika. Ho fanohanana azy ireo, […]