Taorian’ny faharesen’i Allemagne tamin’ny isa 1 no ho 4, nanoloana an’i Japon, ny sabotsy lasa teo, nandritra ny lalao ara-pirahalahiana, taranja baolina kitra, dia voaroaka tsy hanazatra an’i Mannschaft i Hansi Flick, Alema mpanazatra. Araka ny vaovao voaray, Rudy Voller no manolo ny toerany, araka izany. Tsiahivina fa noho ireo […]
Tselatra
TARATRY ny KANTO
Tontolon’ny teatra. Nodimandry i Fredy. Vitsy ny mpilalao tahaka an’i Fredy. Hoy ireo mpankafy : « tena nahay nilalao i Fredy. Nanana fahazotoana nampiaiky ny rehetra teo amin’ny filalaovana teatra ». Saika milalao fototra hatrany izy tamin’ireo anjara notanany. Fantatra fa efa nilalao teatra tamin’ ny tropy Nelson Rasamimanana sy tropy Orimbato. Hisy […]
FANTINA sy FINTINA
Hatao anio, eny amin’ny Ceni Alarobia, ny antsapaka amin’ny laharan’ny kandidà, anaty biletà tokana. Ho avy eny an-toerana hanatrika izany ireo kandidà miisa 13 na ny solontenany. Nampanantena ny mangarahara ny eo anivon’ny Ceni amin’izany. Hatonta any ivelany miaraka amin’ireo kojakojam- pifidianana izany rehefa vita. Voatendry ho loholona ny Jly […]
TSELATRA
Fatin-dehilahy iray efa nifono tamin’ny harona plastika lehibe nisy nanary teny amin’ny fokontany Mahabo Andoharanofotsy, afakomaly. Mpiasa amina orinasa iray misahana ny fiambenana “agent de sécurité” ity hita faty ity. Tsy mponina eny an-toerana izy, raha ny fanazavan’ny manodidina. Renim-pianakaviana iray 72 taona maty voahosin’ny kamiao teny Andohatapenaka, ny faran’ny […]
Sombim-baovao.
Nahazo isa telo indray ny ekipan’ny les Bleus France, omaly. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 2 no ho 0 i Irlande, nandritra ny andro faha-5, fifanintsanana hiatrehana ny Euro 2024, ho an’ny vondrona “B”. Baolina tafiditr’i Tchouameni sy Thuram no nitondra ny fandresena ho an’ny frantsay. Raveloson Samuel, Malagasy mpilalao baolina […]




