Tselatra

Tselatra

Olona telo, avy amina ankohonana iray, naratra nilatsaham-potaka tao Volahotro, fokontany Ambalavao, Kaomi­nina Morafeno, distrikan’Ambohimahasoa ny faran’ny volana janoary teo. Tao anatin’ny ora-mikija, nirefotra tampoka ny varatra. Niditra tao an-tokantranon’izy ireo. Vokany, naratra ny telo mianaka ka nentina namonjy hopitaly. Tsy nisy ahina ny ain’izy ireo.

Eran-tany

Hita aty Afrika amina firenena maro ny fiaka­ran’ny vidim-piainana, indrindra ny sakafo sy ny solika. Tafahoatra amin’ny nikajiana azy izany, tsy araka ny navoakan’ny Banky foibe maro aty Afrika. Voadonan’io fiakaran’ny vidim-piainana io ny mponina maro, indrindra amin’ny sakafo izay andaniana mihoatra ny 50 % amin’ny vola azo. Tsy tafavoaka […]

Tselatra

Lehilahy miisa roa no nahatrarana vola sandoka miten­tina 1.060.000Ar tao Manakara. Nisy mpivarotra nitaraina fa naharay izany tao an-toerana ka nisokatra ny fanadihadiana. Voasambotra tamin’izay izy roa lahy, mbola nahitana vola san­doka marobe teny aminy. Nilaza kosa izy ireo fa azony tamina varotra omby tao Ihosy ny vola.

Tselatra

Torana tao anaty taxi-be ny masera iray teny Tanjombato omaly. Tsy fantatra izay nahazo azy fa izy tsy nahatsiaro tena teo ambony seza no nahataitra ny olona tao anaty fiara. Nentina nihazo toeram-pitsaboana izy avy hatrany izy. Renim-pianakaviana iray maty nihotsahan’ny trano afak’omaly alina tao Manakambahiny andrefana, Ambatondrazaka. Naratra mafy […]

Eran-tany

Hitombo betsaka ary tafakatra ambony ny tinady eo amin’ny solika amin’ity taona ity, araka ny fisokafan’ny toekarena any Chine. Taorian’ny fepetra momba ny fahasalamana no hampitombo ny tinady eo amin’ny solika, maro indrindra 101,7 tapitrisa barils isan’andro. Tombatombana nataon’ny AIE (Agence internationale de l’énergie) izany. Tsy maharaka ny tinady ny […]