Tselatra

VAOVAO TAMBATRA

Hanangana toeram-ponenana manara-penitra eny Andavamamba ny tetikasa « PRODUIR ». Nato­kana ho an’ireo hifindra monina noho ny fanadiovana ny lakandrano C3 izy io ary hamaly ny hetahetan’ ireo mponina mba hiaina amina toerana maha te-honina kokoa. Tsiahivina fa nisy tondradrano, ny taona 1959 izay niteraka fahasimbana maro. Hivadika seranam-piaramadina iraisam-pirenena manomboka androany […]

TARATRY ny KANTO

Seho voalohan’i Erick Manana sy Dama, anio. Manomboka amin’ny 7 ora sy sasany, etsy amin’ ny CCEsca Antanimena. Hisy seho faharoa, ny alahady 20 aogositra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. « Feo roa, gitara roa », toa ny nanombohan’ izy mirahalahy ity fiarahana ity ihany izany. Hisy ampahan’ny fizarana voalohany hatokan’izy […]

SOMBIM-BAOVAO

Afaka fito andro ! Hanomboka ny lalaon’ny Nosy, JIOI 2023, izay hatao eto amintsika ny 25 aogositra – 3 septambra ho avy izao. Nisy ny lalao fitsapana nataon’ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar sy ny ekipa voafantin’i Mahajanga, tao amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina, omaly. Tsy afaka natrehin’ny mpijery izany. Nivoaka omaly, tao […]

FANTINA sy FINTINA

Miantso an-dRanaivojaona Sylvia ho kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena ireo fikambanana tanora maromaro ao Toamasina sy Antananarivo ary amin’ny distrika hafa. Filoha mpanorina ny fikambanana ”Perfect Madagascar” ny tenany. Sady mpandraharaha no mpiasam-panjakana. Reny mpiahy ny skoto. “20 tapitrisa Ar ny fifidianana depiote, matoa 200 tapitrisa Ar ny amin’ny firotsahan-kofidina filohan’ny […]

TSELATRA

Olona iray namoy ny ainy voadonan’ny kamiao tao Ilafy, Avaradrano, afakomaly. Tapaka hisatra, nifatratra tamin’ny tamboho io fiarabe io. Olona roa voafaoka ka maty tsy tra-drano ny iray. Nen­tina namonjy hopitaly ny iray naratra mafy. Pasitera amina fiangonana zandriny iray tratra nangalatra moto tao Ambohiman­gakely, afako­maly. Very moto ny lehilahy […]