Tselatra

FANTINA sy FINTINA

“Tsy manao valifaty ary mametraka ho am­bony ny fihavanana isika”, hoy ny depiote Randria­nasoloniaiko Siteny, tamin’ny Mihava Tour tao Fia­naran­tsoa, ny faran’ny herinandro teo. Nampa­nantena ny hanokatra ny orinasa Tiko, ahena ny vola aty amin’ ny fanjakana foibe ary omena ampahany betsaka ny kaominina. Namaranan’ny filoha teo aloha, Rajao­nari­mampianina Hery, […]

TSELATRA

Mitohy hatry ny omaly ny fanarahan-dia ataon’ny Tafika sy ny zandary ireo nanapa-doha zazalahy 5 taona tao amin’ny fokontany Ehindy, kaominina Ejeda, distrikan’Ampanihy. Fokontany efatra niara-nihetsika amin’ny mpitandro filaminana manara-dia ireo olon-dratsy. Hatramin’izao tsy fantatra mazava ny ao ambadik’izao heloka mamohehatra izao. Sinoa iray sy olona roa hafa manaraka fitsa­boana […]

SOMBIM-BAOVAO

Notanterahina omaly, teny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus Stadium By Pass, ny andro voalohan’ny fiadiana ny amboaram-paritra “Coupe du Président 2023” ho an’ny vondrona B. Nisaraka ady sahala 1 no ho 1 ny ekipan’i Mahajanga sy i Fianarantsoa. Nano­katra izany tamin’ny fomba ofisialy, afakomaly, ny filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina. Higadona eto […]

VAOVAO TAMBATRA

Ho tapaka ny famatsiana herinaratra any amin’ ny faritra Atsimondrano rahampitso. Hisy fiantraikany amin’ny famatsian-drano koa izany noho ny fampiakarana tosika “surpresseur” miankina amin’ny herinaratra. Atao izao hisorohana ny fahatapahan-jiro matetika eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Nidina ho 600Ar ny kapoakan’ny vary any amin’ny faritra Melaky, tamin’ity herinandro ity, raha […]

Indray mijery

Nanomboka ny alakamisy ka hatramin’ny rahampitso, ao amin’ny lycée manara-penitra Ambovombe Androy, ny fampiofanana ireo talen-tsekoly 470 sy lehi­ben’ny fari-pitantanana ara-pedagojia 23. Mahakasika ny fanabeazana ara-tontolo iainana, ny rano, ny fidiovana sy ny fanadiovana ao amin’ny fari-piadidiana Ambovombe, miaraka amin’ny Unicef. Nanao fanambarana ny mpikambana ao amin’ny Seces Antsi­ranana. Hiroso […]