Mitohy ny hitetezan’ireo fiaraben’ny fahasalamana ireo distrika maro manerana ny Nosy. Olona 1 901 no noraisina an-tanana maimaimpoana tao amin’ny distrikan’Antsohihy anatin’ny hetsika fanomezana tolotra ara-pahasalamana “Sarobidy ny aiko”. 5 703 kosa ireo olona voaentana mahakasika ny herisetra mifototra amin’ ny maha lahy na maha vavy (VBG). Efa nankatoavina nandritra […]
Tselatra
TARATRY ny KANTO
« Ratsimilaho, roi des Betsimisaraka ». Ho hita eny amin’ny fivarotam-boky, manomboka ny faran’ny volana septambra 2023, ny boky « Ratsimilaho, roi des Betsimisaraka », notontosain’i Johary Ravaloson, niarahany niasa tamin’ny trano mpanonta boky Dodo vole sy ny Mary-des-ailes, teo amin’ny sary dokan’ny soratra. Atrikasa teatra ho an’ny Ankizy. Mifarana anio ny atrikasa teatra […]
FANTINA sy FINTINA
Navoakan’ny HCC, afakomaly, ireo antontan-taratasy ilaina ho an’ireo kandidà hirotsaka hofidina ho filoham-pirenena. Miisa 15 izany ka anisany ny fanamarinana ny fandoavan-ketra, ny fanambaram- pananana sy ny fanamarinam-ponenana ary ny kara-pifidianana. Tsiahivina fa hanomboka ny 23 aogositra izao ny fametrahana ny antontan-taratsy. Hanao fitsidihana ofisialy any Rwanda ny filoha Andry […]
TSELATRA
Olona iray naratra, vokatry ny fifandonana Sprinter roa tamina kamiao iray tao Tsaramanga Ambatofotsy, omaly tamin’ny 3 ora maraina. Nijanona teo amin’ny fiolahana anaty fiakarana io kamiao io. Tsy nahitan’ny mpamily Sprinter mari-pamantarana izany ka nitarika ny loza. Tsy nisy ny aina nafoy. Taxi iray hotohoton’ny afo tetsy Anosy, omaly […]
Sombim-baovao
Araka ny nambaran-dRakotondrabe Romuald, mpanazatra ny Barea, mpilalao 5 avy atsy La Réunion no nantsoiny hanatevina ny ekipam-pirenena malagasy, hiatrika ny lalaon’ny Nosy. Anisan’izany, i Ando Pro, milalao ao amin’ny JS ST Pierroise. Eo koa i Théodin Ramanjary, vodilaharan’ny AS Sainte Suzanne sy i Rojo Be irakiraky ny Saint Pauloise […]




