Tselatra

FANTINA sy FINTINA

Nambaran’ny mpitarika ny antoko ny Fireneko, Rabary Paul, omaly, fa tsy olana ilay anto-bola 200 tap Ar, haloan’ny kandidà hiatrika fifidianana. Natao hanalana an-daharana ireo mpikarama anady politika sy anavahana ny vary amin’ny tsiparifary izany. Tsy tokony hoferana koa ny volan’ny propagandy. “Tsy maintsy atao izay hisin’ny filaminan’ny fifidianana”, hoy […]

TSELATRA

Mpampianatra iray nahatrarana entana halatra tao Andranodaro, distrikan’i Vondrozo, ny 11 jolay lasa teo. Entana efa very ny volana febroary teo ireto tra-tehaka tao amin’ny tranon’ny mpampianatra iray ireto. Nanao fisavana, saron’ny zandary tao avokoa ny fitaovana informatika sy kojakoja mifandraika amin’izany. Nentina natao fanadihadiana ilay Tompon-trano. Tra-tehaky ny polisy […]

VAOVAO TAMBATRA

Vita ny fanamboarana ilay fantsona simba teny Ambatoroka. Miverina tsikelikely amin’ny laoniny ny famatsian-drano amin’ireo toerana voakasiky ny fahatapahana. Nohamafisina ilay fantsona mba hisorohana ny hihetsehan’izany. Tsiahivina fa tapaka nandritra ny ora maro ny rano tany amin’ireo faritra voakasiky ny fahasimbana. Nodinihina ny fomba hampitomboana haingana sy hanatsarana ny savony […]

INDRAY MIJERY

Manana toeram-pandraisana efatra ireo olona te hiala amin’ny fiankinan-doha amin’ny zava-mahadomelina Antananarivo ary vao niampy iray vaovao eny Itaosy. Eny Anjanamasina, ao amin’ny HJRB, eny amin’ ny Cenhosoa ary ao anatin’ny CHUSSPAnalakely. Fahadimy sy vaovao ilay vao notokanana teny Itaosy. Nahazo efitranon-tsekoly roa ny lisea Fiaferana, fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Avaradrano. Nifarimbona […]

TARATRY ny KANTO

Amin’izao fialantsasatry ny mpianatra izao : hovelomina etsy amin’ny Alliance Française Anta­na­narivo (Andavamamba) ny «Disney». I Odon sy Ilaina ary i Kanto no haneho izany miaraka amin’ireo ankizy ho tonga eny an-toerana. Seho hotanterahina ny 22 jolay izao, manomboka amin’ny 2 oa tolakandro. Hisongadina amin’izany ireo hira tian’ny ankizy na […]