Efa-dahy nosamborin’ny polisy noho ny fidorohana sy famarotana héroïne tao Fiofio, Mahajanga, omaly. Nidina ifotony ny polisy taorian’ny nahazoan’izy ireo loharanom-baovao. Tratra teo am-pitsindromana sady nikirakira io zava-mahadomelina mahery vaika io izy efatra mirahalahy ireo. Nambanan’ny roa lahy antsy, lehilahy iray voaroba teny amin’ny lalamby Ampefiloha, ny alahady atoandro teo. […]
Tselatra
TSELATRA
Naiditra vonjimaika eny Tsiafahy ny lehilahy iray nisandoka ho kaomiseran’ny polisy, ny 15 avrily teo. Vaosambotry ny mpitandro filaminana avy eo anivon’ny BC4 tao Toamasina izy ny 9 avrily teo. Nangalany vola ireo voasolokiny satria nilaza ho mahatafiditra mpiasam-panjakana ny tenany. Nahatrarana basy kilalao teny aminy. Mitaky lelavola 140 tapitrisa […]
TSELATRA
Mpamaky trano efa-dahy voasambotry ny polisy tao Antsirabe, afakomaly. Naka fitaovana toy ny fahitalavitra sy kiraro ny roa lahy. Tratra teo am-panatontosana ny asa ratsiny tao Amboronomby kosa ny roa lahy hafa. Vilany dimy sy finday no tratra teny amin’izy ireo. Raim-pianakaviana sy ramatoa iray maty tratry ny fahapoizinana ara-tsakafo […]
VAOVAO TAMBATRA
Miisa 236 ny tantsaha nahazo kojakojam-pamokarana, any amin’ny kaominina Vohitrafeno sy Vinanitelo, distrika Vohibato Fianarantsoa. Milanja 2 124 kg ny zezika azon’izy ireo, zezika simika 3 540 kilao ary zezika organika 17 700 kg. Tohana avy amin’ny tetikasa Purpa, ao anatin’ny minisiteran’ny Fambolena (Minae), vatsian’ ny Bad sy ny FDA […]
SOMBIM-BAOVAO
Hanomboka, afaka tapa-bolana, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, Can 2024, taranja rugby lalaovin’olona 15, sokajy vehivavy sénior. Hiady ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2025” amin’ity ny XV Makis Ladies de Madagascar. Tsiahivina fa ny 4-12 mey ho avy izao ity fifanintsanana ity no hatao eny Andohatapenaka. Hotontosaina manomboka ny […]