Tselatra

TARATRY ny KANTO

Hotanterahina, anio, ao amin’ny Doany Miarinarivo, Mahajanga, ny Fitampohan’Andriamisara Efadahy Manankasina. Ny fianakaviamben’ny mpanjaka Sakalava sy Dina Herimisy Guy, Mpanjakaben’i Boeny no mikarakara ny hetsika. Fampandroana ny taolambalon’ireo Dady ahazoany ny anarana masina “Razana” no atao ao anatin’izany. Tontosa soa aman-tsara, teny amin’ny Imaitsoanala Ambohimangakely, ny “Internationale Reggea Day 2023”, […]

FANTINA sy FINTINA

Nalevina ny sabotsy teo, any amin’ny fasan-drazany ao Antanandava , kaominina Anjiamangirana, ny nofo mangatsiakan’ny depiote Jao Jean. Nifanitsa-kitro ireo vahoaka nirohotra nandritra ny fotoana naha teo am-bohitra ny razana ary samy nihetsi-po avokoa ny rehetra, hatrany amin’ny fiaretan-tory sy ny famangiana ka hatreny am-pandevenana. Nodimandry teo amin’ny faha-80 taonany […]

TSELATRA

Vehivavy iray voaendaka tao amin’ny Pavillon Analakely, omaly tolakandro. Nikasa hividy entana izy no narahin’ny jiolahy roa. Ny iray mody mibahana eo aloha, ny iray kosa misintona an-keriny ny poketra nisadika teo amin’ny valahany. Lasa nitsoaka avy hatrany ireo jiolahy taorian’izay. Tsy afa-nanoatra koa ireo mpivarotra sy ireo olona teo […]

SOMBIM-BAOVAO

Rugby vehivavy Hifanandrina, anio, etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny fifaninanana rugby diviziona voalohany (D1) sy faharoa (D2), vehivavy. Ny fihaonan’ireo D2, SCB Besarety sy ny XV Red Tanjombato no hanokatra ny lalao voalohany. Aorian’io, hikatroka ry zareo samy D1, RCTS Soavimasoandro sy ny FTFA Antohomadinika. Ho fanohanana azy ireo, […]

Vaovao tambatra

Tsy mbola mivaha ny olan’ny fihetsikehan’ ny mponina manohitra ny orinasa QMM any Taolagnaro. Efa 4 andro izao ny hetsika, nanomboka ny 26 jona teo. Tsy afaka manatanteraka ny fampandehanana, indrindra ny fikojakojana ny fitaovana, ny QMM, noho ny sakan-dalana ataon’ireo mpanao fihetsiketsehana. Tsara ho fantatra anefa, fa anisan’ny manampy […]