Tselatra

VAOVAO TAMBATRA

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy ilay teratany Israelianina tratra teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny herinandro teo. Saika hanondrana sokatra 59 izy ka izao voasambotra izao. Miisa 2 ny kandidà hisafidianan’ny filankevitry ny minisitra hitantana ny Jirama. Tany am-boalohany, miisa 19 ireo nirotsa-kofidiana, ka ny 5 ihany no Malagasy. Nihena ho […]

INDRAY MIJERY

28 ny isan’ny hopitaly efa vitan’ny fitondrana ha­tramin’izao, raha 100 ny CSB tafatsangana. CSB 205 eto Analamanga no nahazo fampitaovana 100% hampihodinana ny asa manakaiky vahoaka, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, omaly, teny Itaosy. Manerana ny Nosy, 2 200 ny CSB nahazo fitaovana amin’ny ampahany. Efa voazara avokoa ny taratasy […]

TARATRY ny KANTO

Le Pavée – Rija sy Lalie «Raha tsy ho ahy»… fampiaraham-peon’i Rija Ramanantoanina sy i Lalie io. Tsy afaka am-bavan’ny mpankafy hatramin’izao. Efa ela no tsy nisy ny fampiaraham-peon’ireto mpanakanto ireto, saingy hotanteraka kosa ny fanirian’ny rehetra anio, amin’ny 8 ora alina, eny amin’ny Le Pavée Antaninarenina. IFM Analakely –JS […]

SOMBIM-BAOVAO

Volley Analamanga  Hotanterahina, ny faran’ity herinandro ity, ny manasa-dalana sy ny famaranana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga, taranja Volley-ball, etsy amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano. Ny sabotsy no hatao ireo lalao manasa-dalana mbola tsy vita, eo amin’ ny sokajy U16, U18 ary U20. Efa fantatra kosa fa hifandona amin’ny famaranana ny ekipan’ny […]

FANTINA sy FINTINA

Tsy tanteraka hatramin’ny fotoana farany ny fanonganana ny ampahany amin’ireo mpikambana eo anivon’ny birao maharitra. Nirava maina koa ny fifanatrehan’ny governemanta sy ny depiote, tokony ho natao omaly, tamin’ny 10 ora maraina. Nahemotra tamin’ ny 2 ora tolakandro izany ary nokasaina hatao maraina ny fanonganana. Tsy tanteraka avokoa izany na […]