Tselatra

Indray mijery

Nasongadin’ny kolonely Faneva, lehiben’ny vondron-tafika zandarimaria ao amin’ny faritra Menabe, fa ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa dia nanao ezaka lehibe tamin’ny fanarenana ny filaminana sy ny fitoniana ara-tsosialy tany an-toerana. Tamin’ny alalan’ny fanomezana fiofanana ho an’ny tanora, anisan’izany ireo dahalo, no nahafahan’ny minisitera nanampy tamin’ny fametrahana fahaiza-manao […]

Taratry ny kanto

Hisy ny lamesa ho fahatsiarovana an-dRandriamarana Jean de la Croix, na i Delacre. Hotontosaina ny alahady 18 mey izao, amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny Ekar Masina Maria Imakole, Ambanilalana Itaosy. Manasa ireo rehetra nahalala azy ny fianakaviana sy ny tarika Black Jacks. Hiaka-tsehatra any Kenya ry The Dizzy Brains. […]

Fantina sy fintina

Hotanterahina any Toliary ny filankevitry ny minisitra sy ny filankevitry ny governemanta, anio sy rahampitso. Efa nanaovana izany ny tany Toamasina sy ny tany Mahajanga ary izao hatao any Atsimon’ny Nosy izao indray. Hiara-dalana amin’izany ny fitokanan’ny filoha fotodrafitrasa samihafa any an-toerana. Hifarana ny 15 mey izao ny fanavaozana ny […]

Tselatra

Nidina ifotony sy nanara-maso hanatsarana ny fomba fiasan’ny ekipa misehatra eny an-kianja ny tomponandraikitry ny polisy, ny harivan’ny alatsinainy 12 mey teo. Nitarika izany ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny controleur général de Police Rakotozanany Dany Marius. Namoy ny ainy voatomboky ny zandriny angady ny lehilahy iray tao Manarinony, kaominin’­ Ambalamana­kana, […]

TSELATRA

Takalonaina telo mianaka votsotra teny am-pelatanan’ny mpaka an-keriny tao amin’ny kaominina Ambohibary Vohilena, distrikan’Anjozorobe, ny 9 mey teo. Nalain’ny olon-dratsy ny alin’ny 16 avrily lasa teo ireo olona ireo. Nokasaina hangalana vola ny fianakavian’ny lasibatra saingy tsy nahomby ny teti-dratsy. Mpitandro filaminana telo namoy ny ainy nandritra ny fifampitifirana tamin’ny […]