Zaza menavava hita faty nifono tao anaty harona plastika teny amin’ny Makis Andohatapenaka, omaly. Ahina ho narian-dreniny ilay zaza ka natsipiny teny amoron-dranon’Ikopa. Hitan’ny mpandalo ny harona plastika ka nampandre ny polisim-pirenena nisahana ny fifamoivoizana tsy lavitra teny an-toerana izy. Trano efitra telo ravan’ny afo tao amin’ny fokontany Tsimenatsy I […]
Tselatra
TSELATRA
Natomboka omaly ny fananganana toby ho an’ny zandarimaria hiadiana hanakaiky ny vahoaka ao Andraikiba. Birao natao hiasan’ny zandary sy hanampy ny vahoaka hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana izany. Lehilahy vao nivoaka ny fonja tratra nangalatra, tao Tsiroanomandidy, afakomaly. Zava-pisotro tao amin’ny toeram-pisotroana iray no nalainy nandritra ny fahatapahan-jiro. Noraisim-potsiny teo am-panatanterahana […]
TSELATRA
Telo lahy mpangalatra fitaovana famokarana herinaratra amin’ny herin’ny masoandro, voasambotra teny Anosibe, afakomaly. Tratra teny amin’izy ireo ny entana avy nangalariny. Nataon’ny polisy fanadihadiana ireto farany. Fiara miisa dimy nifandona teny amin’ny RN4, teo amin’ny PK125+980, fokontany Kiva, kaominina Ankazobe, afakomaly. Olona efatra naratra ka voatery nanaraka fitsaboana. Tsy nisy […]
TSELATRA
Voan’ny bala teo amin’ny tananany ny iray tamin’ireo telo mianaka avy nivarotra voaroba tao Ambaniavaratra, distrakan’i Fandriana, afakomaly. Lasan’ny jiolahy ny vola maty tany an-tsena sy finday. Nentina namonjy toeram-pitsaboana ilay naratra. Tsy nisy aina nafoy. Mpanao sinto-mahery roa lahy voasambotry ny polisy avy eo anivon’ny UIR tao Mahajanga, afakomaly. […]
TSELATRA
Notanana am-ponja, afakomaly, ireo efa-dahy tompon’antoka tamin’ny fanafihana teny Ambohidrazaka, Alasora. Niray tendro tamin’ny fanatanterahana io asa ratsy io, ny 26 jolay lasa teo ireo olona ireo. Mpitondra moto marika G5 maty tsy tra-drano teny amin’ny lalam-pirenena voalohany PK10+100, ny 8 aogositra lasa teo. Nandeha mafy ilay lehilahy nitondra moto […]




