Hankalaza ny faha herintaona niorenany ny «Fahatsiarovana mamy». Hetsika kolontsaina sy zavakanto hotanterahina eny amin’ny Mankafy Cabane Ambohimanambola, ny sabotsy 24 oktobra izao, manomboka amin’ny 9 ora maraina ka hatramin’ny 6 ora hariva. Ho hita eny an-toerana ireo kilalao taloha: vitsilia, sabaka, tsobato, zoera, course kapsily, dihimbazaha, sns. Hifanaraka amin’ny […]
Tselatra
Sombim-baovao
Nanomboka ny talata lasa teo, teny amin’ny Kianja COT Ilafy, ny dingana faharoa amin’ny fiadiana ny ITF World Tennis Tour Junior – J30. Fifaninanana ho an’ireo mpilalao latsaky ny 18 taona lahy sy vavy. Hanana ny lanjany izany satria sady hakana isa no hiadiana laharana eo amin’ny Federasionina iraisam-pirenena. Hotanterahina […]
Vaovao tambatra
Hapetraka ny fenitra farany ambany amin’ny fampiasana ny angovo (MEPS), andiany faharoa. Tanjona ny hametrahana fenitra nasionaly farany ambany amin’ny fahombiazan’ny fampiasana angovo, indrindra amin’ny kojakoja ilaina andavanandro sy ao an-tokantrano. Anisan’izany ny fiara elektrika, ny fitaovana fandrahoan-tsakafo mandeha amin’ny herinaratra, sns. Mitohy ny fanamboarana ny lavadavaka sy ny lalana […]
Fantina sy fintina
Mety ho fantatra amin’ity herinandro ity ny fanamarihana ny 14 oktobra. Miainga amin’ny fanapahan’ny filankevitry ny governemanta ny didim-panjakana momba izany mba ho andro tsy iasana. Eo koa ireo fampahafantarana ireo hetsika hanamarihina izany faha-68 taona nijoroan’ny Repoblika izany, manerana ny Nosy. Tsy ny filohan’ny Fanavaozana no haniraka ny fanagadrana […]
Tselatra
Lavon’ny balan’ny zandary avy amin’ny vondron-tobim-paritra Mampikony, omaly, i Jackson sy Voay Be. Dahalo nampahory ny vahoakan’i Mampikony sy Boriziny tao anatin’ny 20 taona i Jackson. Sady mangalatra omby no maka olona an-keriny, manao fanafihana sy ny maro hafa. Mifehy dahalo maro kosa i Voay Be. Zazalahy 13 taona maty […]





