Tselatra

TSELATRA

Nidina ifotony nanara-maso ireo toeram-pisotroana eny Ambohipo, boriboritany faharoa, ny polisim-pirenena, afakomaly. Anton’io hetsika io ny fampanarahan-dalàna sy fisorohana tsy fandriampahalemana. Olona iray namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana teo anelanelan’i Vatolatsaka sy Andra­no­vory, Toliara, omaly. Nipitika tampoka ny karan- dalana nitondra ireo mpandeha ka nitarika ny loza. Mitohy hatrany […]

TSELATRA

Zaza varira iray nokasain’ny dadatoany hamidy tao Vangaindrano ka olona 9 voasambotra hatramin’ny omaly. Noraisain’ny fitondrana Fanavaozana an-tanana ilay zaza ka nakarina eto an-dRenivohitra. Olona efatra naratra nianjeran’ny kabone tao Mananjary, nandritra ny fiakaran’ny ranomasina, omaly. Zaza ny iray tamin’ireo voakasika. Notsaboina eny anivon’ny hopitaly izy ireo. Zaza 4 taona […]

TSELATRA

Fiara iray notorohan’ny olon-dratsy tamin’ny antsibe, omaly maraina tamin’ny 3 ora tany ho any, teny amin’ny lalam-pirenena fahadimy. Nifanandrify tamin’ny fitaratry ny saofera namily ny fiara ny antsy, soa ihany fa tsy nahavoa ny mpamily. Niseho teo anelanelan’i Mantalimaro sy Anjavimilay ny loza. Voalaza fa efa maro ireo mpampiasa lalana […]

TSELATRA

Nomena fiofanana ireo andrimasom-pokonolona eny Itaosy sy Fiombonana, afakomaly. Nitarika ny fampiofanna azy ireo ny polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP Itaosy. Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny andraikitry ny Andrimasom-pokonolona, ny fomba fiaraha-miasa amin’ny mpitandro filaminana ary ny fandinihana ireo faritra mena isam-pokontany mba hanatsarana ny fisorohana ny tsy fandriampahalemana any an-toerana. […]

TSELATRA

Nahitana lehilahy iray, maty tao amin’ny rano manamorona ny tetezan’i Sabotsy Namehana, omaly maraina. Lehilahy efa nanaovana ombay mitady hatramin’ny Talata 28 jolay teo ity hita faty ity, raha ny filazan’ny olona teny amin’ny manodidina. Efa tonga nanao ny fanadihadiana teny an-toerana ny polisim-pirenena. Tontosa omaly tetsy amin’ny Kaomisaria Foibe […]