«Tabataba an-tononkalo an-tokotany». hetsika miavaka hataon’ny fikambanan’ny mpanoratra sy ny poeta Havatsa Upem. Hatao anio, manomboka amin’ny 10 ora maraina, manoloana ny Tahala Rarihasina Analakely. Entin’izy ireo hanamarihina ny Andro maneran-tany ho an’ny poezia. Hisy fiantsana tononkalo, fanoratana poezia eo no ho eo, sy fivarotana ny bokin’ ireo mpanoratra. Manomboka miditra […]
Tselatra
VAOVAO TAMBATRA
4150,8 miliara dolara ny vola azo tamin’ny fitrandrahana nikela ny taona 2023, raha 4606,5 miliara dolara izany ny taona 2022. Manodidina ny 39 900 taonina eo koa ny vokatra naondran’i Madagasikara tamin’ny taon-dasa, raha 38 600 ny taona 2022. Nitombo ny vokatra naondrantsika saingy mitotongana ny vidiny eo amin’ny sehatra […]
TSELATRA
Maty voatifitry ny zandary tao amin’ny borigadin’i Behenjy, omaly, ny jiolahy roa lahy avy nandroba vola 2 000 000 Ar, ny 18 marsa lasa teo. Nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana izy ireo ny andron’ny fanafihana saingy tafaporitsaka. Taorian’ny fitsirihana nataon’ny alika mpitsongo dia, izao tra-tehaka sy voatifitra izao izy ireo. Voasambotry ny zandary […]
VAOVAO TAMBATRA
Vita hatrany amin’ny 95%-n’ny asa fanamboarana ny tetezan’i Manambondro, faritra Atsimo Atsinanana. Any amin’ny lalam-pirenena RN12A no ahitana azy, eo amin’ny PK174+150, izay natao “béton”. Namatsy vola ny fanamboarana ny tetezana ny Banky iraisam-pirenena, nataon’ny orinasa Consortium Wietec SDLQ. Hatao ny 27 marsa ho avy izao ny fampiofanana ny fiompiana […]
INDRAY MIJERY
Nanao tatitra ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka nandritra ny fananganan-tsaina ny alatsinainy teo fa tao anatin’ny telo volana voalohany dia efa nahatratra 100 000 ny olona nisitraka ny fanentanana sy tolotra ara-pahasalamana manakaiky vahoaka manerana ny Nosy. Tafiditra ao anatin’ny vokatra takina ao anatin’ ny 100 andro izany. Mandritra ny 10 […]