Tselatra

TSELATRA

Omby miisa fito nangalarin’ny dahalo tany Farafangana tafaverina afakomaly. Nandray andraikitra tamin’ny fanarahan-dia izany ny polisin’ny Hery vonjy taitra (FIP). Nentin’ny dahalo nitsoaka ireo omby ireo, ka tsikaritry ny olona. Lasa nitsoaka ireo olon-dratsy raha vao nahita ny polisy ary navelany teo ireo omby. Manodidina ny 15 ny lozam-pifamoivoizana nisy teto […]

TSELATRA

Lehilahy iray voasambotry ny polisim-pirenena noho ny fitazomana basy tsy ara-dalàna tany Ranohira, ny 1 aogositra lasa teo. Tratra nandritra ny fisafoana nataon’ny polisy izy io tamin’ny 11 ora maraina. Rehefa nosavaina, nahatrarana basy vita gasy miaraka amin’ny bala sy mohara tany aminy. Nentina nohadihadiana teny amin’ny birao izy taorian’izay. […]

TSELATRA

Nafindra eny amin’ny fonjan’i Manjakandriana i Fenohasina, tompom-pety, taorian’ny fiakarany fampanoavana teny amin’ny fitsarana Anosy, afakomaly. Nijanona eny amin’ny fonjaben’Antanimora ihany ny reniny. Mitazona ny fitoriana azy ireo hatrany ho tompon’antoka tamin’ny fahafatesan’olona 30 mahery nandritra ny fety teny Ambohimalaza ny fianakavian’ny maty. Napetraka eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana ny mpitarika […]

TSELATRA

Mpitondra moto maty tsy tra-drano teny Mamory Ivato, ny alin’ny alarobia 30 jolay teo, tamin’ny 10 ora alina. Nandeha mafy, nifatratra tampoka tamin’ny sisin-dalana ny moto. Nipitika ilay mpitondra moto ka namoy ny ainy. Vehivavy hita faty tsy nisy voamaso sy atidoha intsony teny amin’ny fokontany Ankatsaky, kaominina Ambahikily, distrikan’i […]

TSELATRA

Lehilahy iray voasambotry ny polisim-pirenena avy amin’ny CSP 5 Mahamasina, ny talata tamin’ny 7 ora hariva teo. Tra-tehaka teo am-pangalarana findain’olona iray teny amin’ny toby fiantsonan’ny fiara teny amin’ny Fasan’ny karana izy io. Nahatratra azy io ny polisy nanao fisafoana teny an-toerana. Miatrika fanadihadiana eny amin’ny biraon’ny polisy izy.