Tselatra

TSELATRA

Fiara sprinter niharan’ny firehetana tampoka teny Ambohibary, kaominina Sabotsy Namehana, omaly maraina. Mpanatitra entana io fiara io ary tsy nisy olona tao anatiny. Nifamonjen’ny nanatri-maso novonoina ny afo. Niharan’ny firehetana ny trano iray teny Ambatomitsangana, fokontany Androhibe, omaly maraina. Tonga ara-potoana ny mpamono afo ary tsy nisy aina nafoy. Heverina […]

TSELATRA

Mpivady mpivarotra rongony voasambotry ny zandary eo anivon’ny tobim-paritra Itaosy, tao Ambodi­voan­jo, omaly maraina. Nasitrik’izy mivady tao anaty tany ny entana amidiny. Fiara miisa telo tra-doza teny Ikianja, kaominina Ambohimangakely, omaly. Nifandona tamin’ny fiara an’olon-tsotra ny taxi-be iray sy taksiborosy iray hafa. Nodoran’ny jiolahy ny trano rehefa tsy nahita olona […]

TSELATRA

Fahatapahan-jiro sy rano. Nitokona sy nidina an-dalambe ireo mpianatra mipetraka eny amin’ny Cité Ankatso II, afakomaly maraina. Nandoro kodiarana sy nanao ny sakan-dalàna izy ireo. Nanome 48 ora ny tomponandraikitra mba hamahana ny olana. Hahery vaika ny fitokonana raha tsy voavaha ny olana. Lehilahy iray manodidina ny 45 taona naratra […]

TSELATRA

Roa vavy mpangarom-paosy voasambotry ny fokonolona teny Analakely, Boriborintany voalohany, omaly. Nasaina namerimberina tamin’ny feo avo “Tsy hangarom-paosy intsony izahay”, izy roa vavy. Taksiborosy levon’ny afo tao Brickaville, ny alin’ny alarobia 23 jolay teo. Hanatanteraka ny diany voalohany hampitohy an’Antananarivo sy Toamasina io fiara io kinanjo tratry ny olana teknika […]

TSELATRA

Nanararaotra jiro tapaka, moto 125 cc lasan’ny jiolahy tao amin’ny tokantrano iray teny Amboditsiry, ny alin’ny talata hifoha ny alarobia 23 jolay teo. Nopitsohin’ireo tsy valahara ny hidin’ny vavahady. Mpangalatra voasambotra taorian’ny nahitana azy tao anatin’ny horonantsary, teny Soamanandrariny, omaly. Nobatain’io lehilahy io ny bitro lehibe an’olona saingy tsy nahatsikaritra […]