Tselatra

Tselatra

Nidina ifotony sy nanara-maso hanatsarana ny fomba fiasan’ny ekipa misehatra eny an-kianja ny tomponandraikitry ny polisy, ny harivan’ny alatsinainy 12 mey teo. Nitarika izany ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny controleur général de Police Rakotozanany Dany Marius. Namoy ny ainy voatomboky ny zandriny angady ny lehilahy iray tao Manarinony, kaominin’­ Ambalamana­kana, […]

TSELATRA

Takalonaina telo mianaka votsotra teny am-pelatanan’ny mpaka an-keriny tao amin’ny kaominina Ambohibary Vohilena, distrikan’Anjozorobe, ny 9 mey teo. Nalain’ny olon-dratsy ny alin’ny 16 avrily lasa teo ireo olona ireo. Nokasaina hangalana vola ny fianakavian’ny lasibatra saingy tsy nahomby ny teti-dratsy. Mpitandro filaminana telo namoy ny ainy nandritra ny fifampitifirana tamin’ny […]

TSELATRA

Vehivavy iray namoy ny ainy omaly, niharan’ny lozam-pifamoivoizana, teny Bemasoandro Itaosy. Tra-doza tampoka nodomin’ny fiara, ny alin’ny sabotsy 10 mey teo izy. Mitaky ny hampiharana ny lalàna ho an’ny nahavanon-doza ny fianakavian’ny maty. Nitsoaka ilay mpamilin’ilay fiara nandona saingy voasambotra ary nentina teny amin’ny zandarimaria. Angidimby nentina vazaha iray no […]

TSELATRA

Velaran-tany 2 ha kilan’ny afo tao Anjoro­mandry Mangabe, fokontany Ambohimanga, kaomininina Ambohimanga Rova, ny alarobia 7 mey teo. Lehilahy nahavanon-doza nosamborin’ny fokontany sy ny zandary. Notanana vonjimaika any am-ponja. Maty voatifitry ny zandary ny dahalo raindahiny iray tao amin’ny kaominina Maritampona, afakomaly. Nikasa hangalatra omby niaraka tamin’ny namany izy kinanjo nandrasan’ny […]

TSELATRA

Tovovavy iray 16 taona voalaza fa mpamosavy no tratran’ny miaramila tany Andilamena, omaly. Niboridana tanteraka izy io nandritra ny fifanenjehana teo amin’ny roa tonta. Anisan’ny ampijalian’ny mpamosavy isaky ny alina ireo miaramila any an-toerana ka izao tsy namela nahazo izao. Efa nalefa any amin’ny lehiben’ny fokontany ity farany taorian’izay ka […]